kabary nalaina tanaty aterineto

Tany anaty resaka ifanakalozana anaty aterineto no nahitako azy ity. Koa satria samy mankalaza ny 29 mars amin’ny fombany ny tsirairay dia indro mba avoakako eto tsy asiam-panovana izany. *********************************************************** Lundi 29 mars 2010 12h43 De: “Rary” Ajouter l’expéditeur dans les contacts À: serasera@yahoogroupes.fr, “Serasera malagasy” <serasera@serasera.com> Mail avec pièce jointe 3 fichier(s) (5512 ko) [...]

29 mars 1947 / 29 mars 2010

63 taona izay ny 29 Mars 1947. Ady no natao hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Ady no natao mba hiverenan’ny fahaleovantena Malagasy. Tratra ve anefa ny tanjona? Tanteraka ve ny nofinofy? Misy hilaza fa eny, misy kosa hanao hoe ‘Tsia, mbola lavitra ny làlana’. Samy hanana ny fanehoan-keviny avy ny tsirairay, saingy ny iraisana dia [...]

Nodimandry i MEDICIS

Rehefa avy eny Antaninarenina ka handeha hody, omaly alina, dia nisy nanendaka teny akaikin’ny SOCIMEX, ka voatsindrona antsy avy any ivoho nitsatoka hatrany amin’ny fony ilay mpanakanto avy any atsimo, mpitendry accordeon antsoina hoe MEDICIS. Ny fiarovany ny vadiny no nitarika ny tsindrona antsy nataon’ireo mpanendaka azy. Nentina teny amin’ny HOMI ny lehilahy, saingy nanodidina [...]

HJRA 26 mars 2010

Isaorana etoana aloha ny mpandray ny marary mila vonjy maika sy ny Cession Urgences (asa raha noho io sampana io hoe mampiditra ny vola ka avela ihany hiasa ihany!) fa dia misosa ny ao. Fa rehefa vita ny eo dia mahita ny kalvery (calvaire) amin’izay ny marary sy ny mpanaraka azy. Tratry ny lozam-pifamoivoizana i [...]

Protégé : HJRA 24 mars 2010

Aucun extrait car cet article est protégé.

Antaninarenina: fanafihana tsy tafita…

Andro antoandro be nanahary. Tsy nisy nanampo na inona na inona. Tampotampoka teo, nirefotra ny basy. Roa no nitsirara tamin’ny tany. Iray azo sambo-belona ary nisy ny tafaporitsaka. Raha ny filazan’ny GIR nanao ny opération teny an-toerana dia izany Lova kely izany ny iray tamin’ireo lavo. Ary mbola fantarina kosa ny amin’ilay miakanjo mena. Voalazan’ireo [...]

Mitomany an’i Kamba kely ny foko(2)

Herintaona omaly maraina ny 19 mars 2009. Tsy ny krizy politika ihany no tsaroan’ny gazetyadaladala, fa ny namoizany koa ny zandrikeliny Kamba. Tsy asiako resaka betsaka fa maro tamin’ny mpanaraka ny gazety no nahalala ny aminy. Nefa ho an’izay tsy nahafantatra kosa dia fampahatsiahivana tsotra no atao: Zazalahy kely tratry ny aretina saropady tany amin’ny [...]

Maputo sa tsia? Tombontsoan’iza?

Sombiny tokoa tamin’ilay anton’ny sazy no tiako ho tsindriana eto androany. Ilay manao hoe ‘noho ny maha-sakana ny fampiharana ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba’. Apetrako ny fanontaniana ho an’ny rehetra, dia iangaviako hamaly ankitsim-po ny tsirairay fa ny mifanompna sy ny miantsy ady na mivantana na ankolaka kosa dia esory ao an-tsaina avy hatrany. [...]

Modely ve?

Mikatso, hono, ny raharaham-pirenena. Fahitan’ny sasany izany. Mandeha hoy kosa ny ankilany mamaly. Dia mifampiampanga eo foana ary tonga hatrany amin’ny faniriana ny hilatsahan’ny sazy mihitsy. Sazy izay ny mahatsikaiky aminy dia hiaraha-mizaka ihany ny fidonany. Raha tsy hoe hisy hanana lamosin-tsokatra angaha ireo izay miantso sy mivavaka ny mba hahatongavan’izany ka na varatra aza [...]

Tsy mahay mankasitraka…

Ts nisy tsy nahita angamba isika rehetra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon’ilay ramatoa iray mpiadidy ny tanan’Antananarivo fahiny, nandeha tamin’ny fampahalalam-baovao rehetra omaly hariva. Fa izay tena mba tsy aritry ny maro nandre sy nahita azy iny dia ny fitefotefok’ilay ramatoa nanome tsiny an-dry RAMAKAVELO sy Andry RAJOELINA nanoloana ireto mpampita vaovao nanatrika azy. [...]

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.

Joignez-vous à 197 followers