Fintina ny fanambaran’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina

Fanambaràna natao ny harivan’ny 25 Febroary 2010 tamin’ny 8 ora alina mahery teo. Tsy ny hafatra manontolo no hitanao eto fa sombiny amin’ilay fanambarana …mitodika amin’ny Malagasy rehetra tsy vaky volo aho….itondrako ny olana…sy ny làlana ivoahana amin’izany…. ..manana ny fiandrianany tsy azon’iza na iza esorina aminy ny firenena iray… Mila fanovàna ny firenena, mijoro [...]

Vice-Amiral Hypolyte RAMAROSON

‘Nanongan-tena i Marc Ravalomanana‘ hoy ny  Vice-Amiral Hypolyte izay vao avy notendrena ho Praiminisitra lefitra hisahana ny raharaham-bahiny. ‘Auto-putchiste‘ moa no fomba nitenenany azy. Hangataka ny namana vahiny, hono, izy  (Amerikana, Frantsay, sy ny Eropeana) ny amin’ny hiverenan’ireto farany hijerena amin’ny maso tsy miangatra ny raharaha tena nisy marina teto Madagasikara. Nolazainy fa ‘tsy manana [...]

Manohana ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana Tetezamita ny AKFM

Namoaka fanambarana mandrisika ny fitondrana amperinasa ny AKFM  ka ao anatin’izany no ilazany ny amin’ny tsy tokony hihemoran’iry voalohany amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny hanatanteraka fifidianana, na eo aza ny sazy izay arangarangan’ny GIC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ambarany ao anatin’izany ihany koa ny tokony handraisana fepetra ka hialan’i Madagasikara ao amin’ny SADC fa tsy mitondra tombontsoa [...]

Rolland Ratsiraka: inona no antoka?

Mangataka fanazavana matotra sy mazava tsara amin’ny HAT ingahy Rolland Ratsiraka momba ny resaka fifidianana. Tsy latsaky ny 3 volana vao vita hoy izy ny fanontana ny bileta tokana, koa inona no antoka azon’ny HAT omena ny amin’ny hahatanterahan’ny fifidianana amin’ny fotoana voatondro, sy ao anatin’ny mangarahara tanteraka.

FISEMA: Fanambaràna tamin’ny 18 Febroary 2010

Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, sy manodidina ny fanapahan-kevitry ny GIC dia namoaka izao fanambarana manaraka izao ny FISEMA FISEMA_FANAMBARANA FEV-10 FIRAISAN’NY SENDIKAN’NY MPIASAN’NY MADAGASIKARA CONFEDERATION GENERALE DES SYNDICATS DES TRAVAILLEURS DE MADAGASCAR AFFILIEE A LA CONFEDERATION SYNDICALE INTERNATIONALE – C.S.I. Lot III H 8 ISOTRY B.P. :172 Antananarivo- 101 Adresse Télégr: FISEMA [...]

Andry Rajoelina niatrika mpanao gazety

Na inona na inona tapaky ny GIC amin’ny fandinihana ny olan’i Madagasikara, dia vonona hiroso amin’ny fifidianana ny HAT, Ary bileta tokana no hampiasaina, mba tsy hisian’ny fanambazam-bola ireo mpifidy amin’ny fividiana ny vaton’ireo mpifanandrina rehefa mivoaka ny biraom-pifidianana. Amin’ny volana Mai no hanaovana azy, hoy izy , na inona hidona, na inona hihatra. Ireo [...]

Andro ratsy faha-12 sy 13:Tempête Tropicale Gelane

Any amin’ny 1100 Km atsimon’i Vohemar no misy ilay andro ratsy niforona tao amin’ny Ranomasimbe Indiana ankehitriny ary efa nahazo anarana izy io Nomena ny anarana hoe GELANE izy io. Ankoatra azy io dia efa misy sahady faritra andro ratsy (faha-13)  efa araha-maso manaraka azy avy aoriana. Mbola any amin’ny 2600 Km ny morontsirak’i La [...]

Fisavana kara-panondro: inona no antoka?

Misy ny fisavana kara-panondro atao amin’izao fotoana izao. Ekena fa tsy anavahana na iza na iza izany. Fa ny ‘indro-kelin’ny mpandrafitra’ amin’izy ity dia izao: ahoana kosa no anavahan’ny besinimaro ny tena mpitandro filaminana ara-dalàna manao ny asany amin’ireo ‘ahi-dratsy’ manararaotra misisika anaty vary mba handotoana iretsy voalohany sy hanaovana ny asa ratsiny? Ny faritra [...]

Faritr’ Andro ratsy faha-12

Misy faritr’ andro ratsy indray ao amin’ny ranomasimbe Indiana. Io no faha-12 amin’ity taon-tsikilaonina (na taonan’ny rivo-doza) ity (2009-2010). Mbola any amin’ny 1245 km avaratra/avaratra-atsinanan’ny morontsirak’i La Réunion no misy azy. Na izany aza anefa dia tsara ihany ny hanaraha-maso azy io ho fiomana’ireo amin’iny morontsiraka avaratra sy avaratra-atsinanan’i Madagasikara iny. sary avy amin’ny www.m-r.li

Masi-mandidy ve?

Raha tsy diso aho dia i Ludger Andrianjaka no niventy ity  hira ity voalohany tamin’ny feo mangany sy avo dia avo. Nosy tanindrazako, ‘zay navelan’ny razako… Foiko ho anao ny aiko… ry Madagasikarako…. Ny ranomasina no valam-parihy mamefy ny Foko rehetra hifankatia… Madagasikara ho an’ny Malagasy Malagasy kosa ho a’ni Madagasikara. Andinindininy vitsy fotsiny ihany [...]

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.

Joignez-vous à 197 followers