Roa taona lasa izay no nanoratako ity tononkalo ity. Toa mifanandrify indrindra amin’ny zavatra miseho amin’izao fotoana anefa ny votoatiny. Misaotra betsaka indrindra an’i Endrika01 nametraka fanamarihana tao anatin’ny vohikalan’ny Serasera.org izay nametrahako azy tamin’izany roa taona lasa izany, izay arahabaina ihany koa nahatratra ny tsingeringerina nijoroan’ny vohikala.
Indro averiko etoana kosa izy ho vetsovetso iraisako aminao, ho tandindon’ny lasako, ary ho fanofisako sahady ny hoavintsika rehetra.
k’zaho ve? – Avylavitra
K’zaho ve?
Nijery aho dia nahita
f’ireo be sandry sy be fikafika
dia miezaka hatrany hamotika antsikaDia nijery aho, mbola nahita
f’ireo be hatoka mpangoron-karena
manindry tsy miato ‘zay te hiavo-tenadia mbola nijery aho fa tsy nahita
na iray aza tamintsika
sahy hitsangana sy mba hiteny
hamaky bantsilana ny toy irenyk’zaho ve?
‘zaho no antenaina hitarika foana?
‘zaho no atosika ho eny anoloana?ny vavako ny ahy no haiko ampiasaina
k’aleoko mijanona ho mpanolotsaina
tsy eken’ny saiko ny hoe latsak’aina
ho an’ny maro…tsy mahay mifangaro.Hijerijery aho ary enga hahita
fa mbola hitambatra ihany ‘reto isika.
Am’zay aho angamba ho sahy hitaty
na hamoy aina mihitsy ho faty
sy ho latsak’aina
ho an’ny maro… lasa nifangaro.Avylavitra
(07 jolay 2007 06h 54 mn AM)
Atolotra manokana ho an’ireo zatra miravaka ny vangim-boay matin’ny sasany
Archivé sous: Zavakanto, fiaraha-monina, politika, tantaram-pirenena


Bonjour ,
Vous avez été nominé pour les BOMBS 2009. Visitez la page et encouragez vos lecteurs à vous nominer pour la phase finale.
Bon BOMBS!
-
Hi,
Your blog has been submitted for BOMBS 2009. Please visit our page and ask your readers to promote you to the finals.
Happy BOMBS!
More on BOMBS here
http://www.bestofmalagasyblogs.com/bombs
http://www.bestofmalagasyblogs.com/regles/
http://www.bestofmalagasyblogs.com/goodies
http://twitter.com/Best_Blogs_Gasy
http://www.facebook.com/posted.php?id=722462260&share_id=180278315189&comments=1#/event.php?eid=150604559927&ref=mf
(azafady fa mbola tsy tafa mihitsiny ilay teny gasiko!)
Misaotra betsaka ny mpikarakara ny BOMBS 2009. Thanks to all contributors. Merci à tous!