Tsy hiverina aty Madagasikara RAVALOMANANA raha tsy milamina ny tany. Fanambarany izy tenany Ravalomanana, hono, io araka ny fanambarana voarakitr’i Liliane Andriambololona anaty horonam-peo ka halefa rehefa tonga aty Madagasikara izy. Marihana fa androany amin’ny 1 ora tolakandro no manomboka ny fanentanana ny olona hitsena ireo "delegasion HAT’ avy any Maputo. Tsy fantatra kosa rahoviana ny filoha teo aloha no hiverina eto satria henjana ihany ilay samy nitàna ny mokon-dohany tany maputo tany araka ity feon-gazety ity.
Mijanona ho filohan’ny HAT mandritry ny 15 volana raha ela indrindra i Andry Rajoelina
Misy ny fizarana seza ho an’ny ankolafy tsirairay ary dia hotaterina eto ihany araka ny filatsahan’ny vaovao ny momba izany
Fa momba ny fampitana vaovao ataon’ingahy ALAIN ANDRIANASOLO dia nanao fanambarana ny talen’ny RNM, Johary Ravaojanahary:
…ny tenako dia tsy nahalala ny nandehanany any…ny 05 aogositra teo vao nahalala aho fa any Maputo izy…naman’ny tsy iraka ofisialy izy…tsy hamoaka ny vaovao ampitainy ny RNM…ny vaovao ofisialy dia avy amin’ny namana Liliane Andriambololona…Manasa tànana ny amin’ny namana Alain ny RNM, ary manokana amin’izany ny talen’ny RNM… horaisina ny andraikitra mifanandrify amin’izany…indrindra fa tsy nahalala ny chef hierarchique…indrindra indrindra fa hoe hiampita ranomasina izany..tsy maintsy tenenina izany amin’ny anaran’ny mangarahara…tsy nisy solontenan’ny RNM nantsoina hankany Maputo…izany no nandraisana ny namana Liliane Andriambololona (TVM) ho mpampita vaovao ofisialy…
Classé dans : fiaraha-monina, politika, tantaram-pirenena, tapatapany Tagué: | alain andrianasoloa, andry, Andry RAJOELINA, johary, maputo, Ravalomanana, RNM, TVM

