Fanambarana goavana nataon’ny Tafika Malagasy androany 08 mars 2009

Nisy antso avo nalefa tamin’ny onjam-peo androany miantso ny miaramila rehetra hiverina any amin’ny casernes daholo, ary tsy hisy handray baiko na avy aiza na avy aiza aloha ‘raha resaka fampandriana fahalenana ny tanana no resahana’. Antsoina amin’izany ny miaramila rehetra, na eto Antananarivo, na any amin’ny faritany, na ireo any ampanaovana mission any koa aza. Ary na iza na iza ka manamboninahitra mandalo fotsiny eto Antananarivo miampy ireo vata-miaramila tsotra, dia antsoina daholo ho tonga eny Andohalo androany amian’ny 12 ora izao antoandro izao.

Rehefa azo ny dika mitovy amin’ny fanambarana dia hadikako ho anareo rehetra eto ihany. Mba ampitampitao ity hafatra ity hiely eran’ny tany sy ny fanjakana, fa zava-dehibe loatra.  Satria na ireo miaramila sous-officiers aza dia milaza rehefa eny an-kianja fa efa asa fampihorohoroana izao mitranga izao fa tsy resaka fampandriana fahalemana ny tany sy ny fanjakana intsony. Dia niandry aho ny amin’ny fanambarana, ary dia tonga izy izao ka lazaina.

Raha nampita ity vaovao ity moa ny RADIO ANTSIVA androany antoandro, tonga dia no-brouillé-na avy hatrany tamin’ny 11 h 43mn

Mangataka indrindra aho, ampitampitao ny vaovao zalahy fa izay RADIO mampita izao dia tapahana avokoa. Tsy re intsony ny RADION ANTSIVA manomboka amin’izao amin’ny 11h 44 mn izao.

Vaovao farany

CAPSAT : tsy nety nivoaka intsony ny antso antso sy iraka nampanaovin’ny chef de corps tao amin’ity camp ity androany ireo sous-officiers. Vaovao marim-pototra io ary dia tsy mety hamono vahoaka sy hanatanteraka baiko intsony izy ireo,fa efa mihoatra ny maha-olombelona sy manala baraka ny tafika hoy izay ireo ny zavatra ampanaovina azy. Sy ny fakàna olona sivily hianjaika ny akanjo miaramila ary alefa hamono olona

About these ads

10 Réponses

  1. Misaotra anao Avy Lavitra. Mamporisika anao aho hanohy hatrany ny fampahalalam-baovao ataonao fa tena tsara ary mendrika. Indrindra @ izao fotoanan’ny fanampenam-bava ataon’ny fanjakana izao. Misoko mangina ny fanaovan-gazetim-bahoaka. Tsy ho ela dia ho tsapan’ny rehetra fa io no endrika serasera vaovao hanenika ny tontolo. Mankasitraka

  2. Alahady androany ka miala sasatra avokoa ny rehetra, efa nampoiziko tsara mihitsy fa tsy maintsy hisy ny fanambarana mitovitovy amin’ity nolazainao ity avy amin’ny radio antsiva, rahampitso alatsinainy isika mahita tsara ny tohiny ka ho hita na lainga ny navoakan’ny radio antsiva na marina tokoa. Efa tapitra omaly sabotsy manko ny mission nampanaovina azy fa tsy tokony hisy tohiny intsony amin’ity herinandro miditra vaovao ity. Asa raha azonao ny tiako lazaina na tsia?

    Jentilisa > dia misaotra an’i zokibe Jentilisa aloha nitondra fanamarihana. Rahampitso tokoa no vavolombelon’ny anio, koa dia samia ary mahandry isika e!. Mirary soa indrindra

  3. non tsy azoko ry jentilisa fa hoe inona marina ity tianao lazaina? hoe efa lasa nitsoaka ve rajoelina? sa hoe ahoana ?
    enga anie ka tsy resaka hoe vaky ny tafika !

  4. Selon sobika:
    15H Pas de confirmation de la réunion militaire annoncée par Radio Antsiva. La radio est brouillée actuellement

    12H Les militaires ont été conviés a une réunion générale de l’Etat Major ( Source Radio Antsiva )

    Selon radio mada:
    En plus, il n’ y a pas de fraction de l’Armée avec grand A

  5. Selon toujours sobika, il y a des Sous-officiers n’obéissant pas aux ordres d’un Colonel.
    Si des Sous-officiers se prennent pour des Généraux, le Directoire Militaire n’aura plus de sens, tout sauf un Directoire.

  6. misôtra anareo mampita vaovao e! mampalahelo tokoa ny zavatra mitranga nefa atao ahoana raha izao no tsy maintsy andalovana mba hiaviana @ tsaratsara kokoa!

    samia mahery avokoa tompoko ô!

  7. Voici un site de forum qui pourrait intéresser plus d’un sur l’événement à tanà:

    http://www.moov.mg/forums/read.php?8,1781413

  8. Voici encore un site intéressant pour certains sur l’événement de "mutinerie", même si le titre ne s’y correspond pas, donc j’ai pris sur la 5è page:

    http://www.topmada.com/2009/03/07/andry-rajoelina-nira-plus-sur-la-place-du-13-mai/comment-page-5/#comments

  9. Tena tsy mazava tokoa ny zavatra nolazaiko, efatra andro no iraka nampanaovina ny Emmo nat hanadiovana ny tanàna. Nifarana omaly sabotsy io efatra andro io. Izany hoe efa tokony ho nilamina androany alahady. Dia arahabaina izany isika sy mifalia fa niditra tao anatin’ny fiokona ny miaramila e! faly sy nihinjaka aloha ny pro TGV taty amin’ny tanàna vao nandre ny vaovao e! "vita Ravalo! vita Ravalo" hoy ny horakoraka nataon-dry zalahy. Atao akory sady arahabaina fa tafiditra anatin’ny lisitry ny firenena hanaovan’ny miaramila fanonganam-panjakana isika!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 867 followers

%d bloggers like this: