Filoha, Tsy filoha

Dia tonga maro namaly ny antso teny amin’ny 13 mai indray ireo mpomba an’i Andry Rajoelina androany. Talohan’ny nahatongavako teny dia nisy fiara 4 x 4 nisosososo nisongona ny scooter-ko teny an-dalana, hay ireto izy handeha handrava teny amin’ny 13 mai. Niditra an-keriny teo an-kianja hono ireo ary naka an-keriny fitaovana sy seza teo amin’ny [...]

Ravalomanana vs Rolland Ratsiraka

Alohan’ny hanohizana ny zavatra rehetra dia indro omena aloha ny famintinana ny tranga naneranan ny Nosy:
maherin’ny 100 no maty, ka 17 tany Mahajanga, 31 Antananarivo, (93 naratra Tana), ny ambiny miparitakla manerana ny Nosy)
23 ny Magazay lehibe voaroba sy voadoro
30 voasambotra
LMafotaka ny fisavana karatra rehefa tonga ny couvre-feu (na mpandeha an-tongotra na anaty fiara)
Nipoitra [...]

ILAY MATY VOALOHANY

Hisy ny fihaonan’ny TGV sy ny tariny eny amin’ny kianja 13 mai androany manomboka amin’ny folo.
Handalo eny koa ny vata mangatsiak’ilay mpianatra maty voatifitra teny Anosipatrana, alohan’ny hanaterana azy any amin’ny fasan-drazany any Antsirabe.
Raisin’ny TGV an-tànana daholo ny fikarakarana rehetra momba ny razana.
Hisy ny fotoam-pivavahana hatao eny ho fialan-tsasatry ny fanahiny. Ny nofony moa [...]

‘Mitomania ianao ry taniko’

Talata mainty (Mardi Noir) ho anay mianakavy ny androany.
Ankoatra ny hilazako aminao izay nahazo anay androany dia ireto aloha sombintsombim-baovao samihafa. Mety tsy ho feno araka izay andrasanao, fa inoana kosa fa mba misy azo ihoriranana ihany.
Analakely : rehefa nirehitra ny magazay iray dia mbola nisy ihany ny nanao amboletra niditra, mba haka izay heveriny [...]

Gidragidra (émeutes)

Tanteraka ny famoriana vahoaka teo amin’ny kianja 13 mai ny 26 janoary 2009 teo, ary nahazo olona maro dia maro tokoa. Saingy….saingy….
Rehefa tonga ny tamin’ny:
* 12h 00 ka nifarana ny kabary teo an-toerana dia roso ny dia fa hoe ho an’ny amin’ilay tany nototofan-dRavalomanana eny Andohatapenaka ny rehetra. Nandalo teny amin’ny Radio Nationale Anosy [...]

TAPAKA NY VIVA

Navelako nandeha mandra-maraina teo ny Radio, ka ny onjam-peo VIVA no nohenoina.
Sondrian-tory aho nony nisasaka ny alina.
Rehefa nifoha aho fa poritra te-hipipy tamin’ny 03h maraina, dia tsy naheno na inona na inona intsony.
Tapaka tanteraka ny onjam-peo VIVA.
Tsy haiko izay fandehan’ny tantara tao iny alina iny. Nisy ve ny fifandonana? Voasambotra ve i Andry? Nisy ve [...]

Taorian’ny fahatongavan’ingahy Ravalomanana

Nisy fivoriana maika androany hariva, ary dia tapaka tao fa ‘na amin’ny fomba ahoana, na amin’ny fomba ahoana’ (coûte que coûte) dia tsy maintsy atao anio halina ny fakàna ny ‘emetteur’ Radio VIVA eny Ambohimitsimbina, sy ny fitadiavana ary fisamborana ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina, miaraka amin’ireo olona tafiditra ao anatin’ilay lisitra misy ny anarany.
Raha [...]

Affaire Andry Rajoelina, Alohalika ny ranom-bary

Nisy ny antso avo nataon’ny mpomba an’i Andry Rajoelina mba ho fiarovana ny ‘emetteur’ eny Ambohimitsimbina, satria heno fa misy ny miaramila misaron-tava nalefa hanala an-keriny izany fitaovana izany.
Efa mandeha any koa, hono, ny didy fampisamborana an’i Andry Rajoelina.
An’arivony ankehitriny ny vahoaka tonga, na eny Ambodivona (tapaka mihitsy ny làlana), na ny eny amin’ny [...]

Place de la démocratie 24 janvier 2009

Tena mbola tsy afaka manoratra lava aloha androany fa raha hjijery ireo sary an-jatony azo teny Ambohijatovo, 13 mai, teny an-dalana ho any Ambodivona sy teny Ambodivona rahateo ianareo dia ** ity ** ny rohy.
Mbola ho avy manaraka eny ihany ny lahatsoratra. Fa ny azo lazaina aloha dia sahy i Bandikely, ary vonona koa [...]

Voaroaka hiala ny tanin’ny CUA ny MBS

Nandefasan’ny CUA (Commune Urbaine Antananarivo) taratasy fampilazàna ny tokony hialany amin’ny tanin’ny comune ny MBS. Ny antony dia noho ity farany tondroina ho tsy nahavita an-tsakany sy an-davany ny fifanarahana (contrat). Milaza anefa ny filoha Marc RAVALOMANANA fa nisy ny fifanarahana natao ka tokony ho ny fitsarana no hanapaka farany.
Raha 50 no nasaina nanao andrimasom-pokonolona [...]