BEHORIRIKA: SUPREME CENTER sa SUPREMATIE SINOA

Zavatra tsikaritry ny rehetra tato ho ato fa isak’izay misy trano mijoalajoala an-dalam-panorenana dia matetika SINOA izao no ao ambadika ao. Mba tsy hilazana fa SINOA foana no mampanao azy ireny. Isan’ireny ny tranobe misahana famarotana fitaovana momba ny haitao informatika etsy Behoririka, tsy lavitry ny tetezana. Sendra nandalo teo ny tenako, tao anatin’ireny oram-be ireny. Nizotra tamin’ny ilany havanana raha ho any an-tsenan’Andravoahangy ny dia. Sahirana mafy nitady izay hodiavina, etsy an-daniny ny ataon’ireo mpivarotra fiara eny amoron’iny lalana iny, ary etsy ankilany ny nataon’ireto sinoa ao amin’ity tranobe feno fivarotana ity.

Sahirana ny mpandefa an-tongotra satria dia nasiana tsatoka (irony karazana aro fanina irony) miisa roa eo amin’ny lalana natokana ho azy ireo. Ny orana avy, ny tena tsy maintsy handalo eo, ary koa tsy maintsy hidina any anaty arabe natao ho an’ny fiara mifamoivoy.
supreme_center2
Tsy nahatsindry ny tena ka nanatona ireo mpiandraikitra ny fiandrasana varavarana teo amin’ny tranom-barotra, nanontany izay fiavian’ireny. Tsotra no navaliny. Ny SINOA.

Nangataka ny hihaona tamin’ilay sinoa voalaza ary ny tena, nefa tsy tao io, fa Malagasy iray no nadray tao. Rehefa naseho azy ny sary nalaina teo amoron-dalana, dia namaly izy fa tsy misy resaka azony atao fa raha mila fanazavana dia mandehana manatona ny Commune fa ry zareo no nanome alalana (autorisation),
supreme_center
ary angaha, hono, tsy hitanao fa misy laharan’ny fanomezan-dalana avy amin’ny Commune ilay takela-by ao.

Rehefa nandalo teo aho omaly alina ‘mbola tao anaty oram-be ihany), dia faly aoka izany nahita fa tsy teo ireo tsatoka tsara tarehy hitako rehefa antoandro ny andro. Hay mba nisy vokany ihany hoy aho ilay teny kely natsipiko. Saingy indrisy, fa nony maraina ny andro, dia indro fa nijoro nanelingelina ny rehetra, sy tsy namela ny mpandeha an-tongotra hizotra an-kalalahana indray ireto zavatra noheveriko fa mba efa nilamina.

An’iza ary ny tsiny raha sanatria misy loza mihatra amin’ireo mpandeha an-tongotra voatery tsy maintsy midina any anaty arabe rehefa mandalo eo amin’ny SUPREME CENTER? An’ilay mpandeha an-tongotra ve satria izy any anaty arabe no mety ho nodonin’ny fiara, ka aleo maty any fa tsy mahay mitandrina? Sa an’ny Commune satria izy no voatondro ho nanome alalana? Sa an’ny SUPREME CENTER satria azy ireo tsatoka mipetraka mitondra fnohintohinana ny fivezivezen’ny daholobe? Sa an’ireo mpivarotra fiara miteraka fikorontanan’ny parking eny amin’iny faritra iny, izay efa nifampiresahako an-telefona tamin’ny delegué au maire-n’ny Firaisana fahatelo hatramin’ny ela? Misy amin’ireo mpivarotra fiara ireo aza, hoy ny olona eo amin’ny manodidina, no sahy milaza fa tsy misy mahafaka azy eo fa efa omeny vola ny polisin’ny Firaisana ( Aza hitako anie ka marina izany, sanatriavin’ny vava!) Aoka izay manan-tsaina no hamaly izany!

Fa tsetsatsetsa tsy aritra farany no ilazana, fa nandritra ny fanamboarana io trano io, araka ny resaka nifanaovako tamin’ny mpivarotra eo ambany eo, dia be ny tsy rariny nozakain’ny mponina manodidina. Feno fako ny tafo, potika ny antenne tele , nitsakitsahina tsy misy fierana ny tafon-trano, tafiditra any anaty echaffaudage any ny enatenne sasany ka sahirana manodina ny ao an-trano, nefa tsy mahita rirany, hay voagejan’ny bois rond ampiasain-dry zalahy ny zavatr’olona ka tsy afaka mihodina mitady izay fahitalavitra tiana hojerena. Izany no niaretan’ny olona teo amin’ny manodidina ity tranobe mijoalajoalan’ny taonarivo fahatelo ity. Izany koa angamba no mbola tsy maintsy hozakaina vokatry ny SUPREMATIE SINOA

Miteny ho azy ny sary
****************************************************

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers