NY (TSY) LAHARAM-PAHAMEHANA

Samy manana ny ‘maika‘ ho azy ny rehetra. Samy mametraka laharam-pahamehana araka izany ihany koa. Be ny mampikaikaika. Raha ny valalabemandry no anontaniana izay mampikaikaika azy dia ‘ny vidin-tsakafo, ny vdin-jiro sy rano’ no sady laharam-pahamehany no koa mampikaikaika azy. Miankina amin’izay laharam-pahamehanna sy mampikaikaika ny hafa nefa io azy io. Ohatra fotsiny, ny fitaterana, [...]

TELOMIOVA,FOKO,EBIT12

Fahombiazana raha ny tapak’andro maraina natrehinay tany. TSY ARAK’IZAY NOERITRERETINA ny vokatra tsinjoko nandritra iny marainan’ny 17 Oktobra 2008 iny, noho ireo familafilàn’ny mpikarakara nandritry ny fifampiraharahàna. Nandritra ireo andro vitsivitsy nifaneraseran’ireo ekipantsika tamin’ireo mpikarakara tokoa mantsy dia nihàran’ny “antsojay isan-karazany” ny  ankizy. Toa noraisina tamin’ny maha-tanora azy ka noeritreretina tsy hahavita zavatra sy [...]

ASSOCIATION “AVYLAVITRA”

Betsaka taminareo no nifanena tamiko, ary nanontany. Maro no nihevitra (ary hatrany anaty Google aza dia nahitako an’izay zavatra izay), fa hoe ny AVYLAVITRA dia ANARANA FIKAMBANANA.
TSIA anefa no valiny, olona tokana, ary miasa manao izay vitany amin’ny alalan’ny tenany sy izay tratry ny heriny izy.
Toa tsara ihany aloha ilay nametrahanareo azy hoe Association e! [...]

BARCAMP MADAGASCAR 2008

Hafaliana lehibe tokoa ho anay taty Madagasikara ny nandray sy nahita an’i Eduardo Avila niara-nanatenateraka ny Barcamp-Madagascar 2008 androany 04 oktobra tao amin’ny IVOTEL Ambohidahy.
Ny nampalahelo kely ahy fotsiny dia ny tsy nananako fakantsary teny amiko mba hitahirizako ny fotoana mamy tahaka ireny. Enga anie mba ho be no hahatahiry sary ka hahazo amin’izy ireny [...]