Famonjena nitera-doza (Topicana II)

Niarahan’ny rehetra naheno teo aloha teo ny faharendrehan’ny sambo TROPICANA II, nitondra mpozahatany vahiny miaraka amin’ireo mpitari-dalana (guides) Malagasy niaraka taminy.. Nampalahelo anefa fa noho ny faharatsian’ny toetr’andro, raha iny hidina anaty zodiac iny ireo zandary no latsaka tany anaty ranomasina ireo nalefa hirakora izay niafaran’ny Tropicana II ka zandary roa no maty androany nandritra ny fikarohana ireo olona tsy hita popoka tamin’io faharendrehana io. Efa hita ny fatin’i Vonjy, iray amin’ireo zandary roa maty amperin’asa ireo, fa mbola karohina fatratra kosa ny iray (RIVO). Efa eo ampikarakarana ny razana hihazo an’i Sainte-Marie ny tompon’andraikitra amin’ity alina ity, mandram-pandefa azy ho any Fenerive-Est. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy roalahy ary koa ho an’ny fianakaviam-ben’ny zandary Malagasy.

2 réponses

  1. Mampalahelo tokoa izany. Miombona alahelo amin’ny rehetra.

  2. Mba lalina tokoa re ! Maniry fiononana ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy.

Laisser un commentaire