Governemanta vaovao (30 Aprily 2008)
Indro omena antsika eto ny firafitry ny GOVERNEMANTA VAOVAO NAVOAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY ANIO HARIVA 30 APRILY 2008 TANY AMIN4NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA Foana araka izany ny voalazan’ny 2007/926 tamin’ny 20-10-2007 nanendry irao mpikambana teo aloha
Praiministra : Charles RABEMANANJARA Minisitry ny raharaham-bahiny :Marcel RANJEVA
Minisitry ny Fiarovam-pirenena: Cecile Marie Ange MANOROHANTA
Minisitra Mpitahiry ny tombokasem-panjakana sady minisitry ny fitsarana: Bakolalao RAMANANDRAIBE RANAIVOARIVONY
Minisitry ny asa vaventy sy famantarana ny teotr’andro : Rolland RANDRIAMAMPIONONA
Minisitry ny fanabeazam-pirenena: Stangeline RALAMBOMANANA ANDRIANARISANDY
Minisitry ny vola sy teti-bolam-panjakana : Hajanirina RAZAFINJATOVO
Minisitry ny fanavaozana ny fananan-tany, fananan-tany ary fanajariana ny tany: Marius RATOLOJANAHARY
Minisitry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono : Armand Panja RAMANOELINA
Minisitry ny angovo sy harena an-kibon’ny tany : Elysé RAZAKA
Minisitry ny toe-karena sy ny varotra ary ny indostria : Ivohasina RAZAFIMAHEFA
Minisitry ny tontolo iainana, rano sy ala ary fizahan-tany : Harison Edmond RANDRIARIMANANA
Minisitry ny fahasalamana sy fandrindrana ny fiainam-pianakavioana : Jean Louis ROBINSON
Minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalana sosialy : Abdou SALAME
Minisitry ny fifandraisana sy ny paositra ary ny serasera : Bruno Ramaroson ANDRIANTAVISON
Minisitry ny fitaterana : Pierrot BOTOZAZA
ireto kosa ny minisitra lefitra
Minisitra lefitra misahana ny
* fampianarana ambony sy ny teknika ary ny fiofanana arak’asa : ZAFILAHY Ying Vah
* sosialy sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza : MArie Perline RAHANTANIRINA
Ary ity ny sekreteram-panjakana
Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Praiminisitra miadidy ny filaminana anatiny : Désiré RASOLOFOMANANA
FILAHARAN’NY FIHAMBONIANA SY AROFENITRA
1- Minisitry ny atitany miaraka amin’ny maha-Praiminisitra sy lehiben’ny Governemanta azy
2- Minisitra araka ny laharana nanendrena azy
3- Minisitra lefitra
4- Sekreteram-panjakana
Ireo dia manan-kery avy hatrany nanomboka androany hariva vantany vao nolazaina tamin’ny fampitam-baovao isan-karazany mandra-piandry ny famoahana azy amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara
Archivé sous: politika | Taggé: fanendrena, governemanta, ministera, ministra
noheveriko fa prem’s i jogany t@ ity, hay faharoa
samy avy lavitra aloha na ianao na i avylavitra e
merci @ vaovao tsy mba adaladala e !