Olona tsy hita nanjavonana
Lahatsoratra avy any Egypta no nanaitra ny aingam-panahy hitosaka eto androany. Nanampy trotraka koa moa ny fandrenesana isan’andro isan’andro ao amin’ny RNM (Radiom-pirenena Malagasy) ny antso fiaraha-mitady olona tsy hita hoe lasa aiza na lasa aiza.
Ekena aloha fa misy ireo maty an-dalana noho ny hanoanana, noho ny aretina, noho ny lozam-pifamoivoizana nefa tsy nahitàna taratasy milazalaza ny momba azy teny amin’ilay olona. Nefa koa betsaka ny fakàna an-keriny sy ny famonoana any anelanelany any. Misy amin’izy ireny no ariana any anaty rano ka amatorana vatobe mba tsy hpoitra (nefa mbola naloan’ny rano ihany toy ilay Karana lahy teny Andranobevava), misy ny alevina an-tsokosoko any (toy ilay teny Ambohimanambola, momba ireo mpifankatia nanao anton’asa ny fanentanana lanonana, nonina teny Tanjombato, ary novonoin”‘ny namany ihany), ary misy koa moa ny tranga izay tsy haintsika hazavaina mihitsy.
Angamba efa tokony ho lavitra be ny fahatsiarovana izany andron’ny Gestapo sy ny fanjavonana noho ny antony pôlitika, na ny tsy fifanarahan-tsaina izany e! Ny hevitra ampiadiana dia atao toy ny ‘katsaka anaty lapoaly, ka izay tsy mahatanty mipitsika’. Sa ahoana hoy ianareo? Mitory fahambanian-tsaina mantsy izany amiko, ary midika tsy fahazakàna fahalalaham-pitenenana ihany koa.
Enga anie mba tsy hisy eto Madagasikara izay miseho any Egypta any. Hiaraka hivavaka isika hoe:
‘Zanahary ô tahio ny tanindrazanay, ….handry fahizay…..ireo mpitondra anay tariho lalandava koa, ho feno fahendrena, kinga sy mahay….’. Amen
Archivé sous: fiaraha-monina, politika, tapatapany | Taggé: Add new tag, Egypta, fanjavonana, Madagasikara, tsy hita