29 MARS SY FITIAVAN-TANINDRAZANA

Ho avy indray ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana natao tamin’ny 29 Mars 1947. 61 taona lasa izany. Tsy zaza miana-mandeha intsony raha taonan’olona izay no andrefesana azy, fa tena efa anaty fahanterana sy fahamatorana. Nefa tena izay tokoa ve no misy? Matotra sy feno fahendrena ary tena tia ny tanindrazany marina ve ny Malagasy miara-miaina aminao [...]