Cyclone “JOKWE?” indray
Vaovao voaray tamin’ny 13h Madagascar: Misy cyclone ao amin’ny Ocean Indien. Jokwe no nahenoako ny anarany .
Ity no andro ratsy faha-12 taty amin’ny faritra.
Mikisaka miakandrefana izy io ary mamonjy an’i Diego raha ny fizotrany. Mbola any amin’ny 190km miala an’i Diego ao amin’ny Avaratra atsinanana no misy azy ity, nefa hitondra orana betsaka sy rivotra mahatratra 80km isan’ora. 250km ny savaivony ary miadana ny fifindrany. Voakasiky ny filazana loza manambana daholo ny faritr’i DIANA, SAVA ary SOFIA.
Ampitampitao malaky azafady
Tsy prturbation araka izay voalazan’ny sary intsony fa sary talohan’ny nahazoany anarana io an!
Ny vinavina ho làlana hizorany
ireo làlana nizoran’ny andro ratsy hatrizay
Archivé sous: toetr'andro | Taggé: cataclysme, catastrophes, cyclone, jokeway, rivo_doza



[...] “JOKWE” indray ? - gazetyavylavitra.wordpress.com >>] Publié par tomavana rempli dans fanohanana Taggé: cyclone, jokwe, madagascar, madagasikara, [...]
Misaotra amin’ny vaovao fanairana … na dia vaovao mampanahy aza izy ity
85km avaratr’i Nossy-Bé ny foibeny tamin’ny 6h maraina teo, miankandrefana somary
mianatsimo ny diany
hafainganam-pandehany: 11km/h mitondra rivotra 75km/h sy tafiotra 110km/h any amin’ny faritra
akaikin’ny foibeny
Orana mikija, rivotra mifofofofo no niainana nandritry ny alina, indrindra fa nanomboka ny misasakalina tao avaratry ny Nosy.
Tapaka nanomboka tamin’ny iray ora maraina mahery kely ny jiro ary mbola tsy miverina hatramin’ny fito ora maraina naharaisana ny vaovao (06-03-200
.Izany moa dia noho ny fiarovana efa natao mialoha. Tsy dia nitondra fahavoazana firy ho an’Antsiranana 1 iny rivo-doza iny fa ny any Antsiranana 2 no mbola tsy nahazoana vaovao. Efa miverina miasa sy mianatra ny rehetra raha ny hita eny an-dalam-be mamakivaky ny tanana.
(loharanom-baovao : Vaovao RNM 6h 30 maraina)
[...] Gazety/Avylavitra Update [...]
[...] sur mars 6th, 2008 à 7:28 [...]
Misaotra amin’ny rohy fa tena tsy naharaka betsaka intsony teo aloha teo noho ny antony maro. Mazotoa