29 MARS SY FITIAVAN-TANINDRAZANA

Ho avy indray ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana natao tamin’ny 29 Mars 1947. 61 taona lasa izany. Tsy zaza miana-mandeha intsony raha taonan’olona izay no andrefesana azy, fa tena efa anaty fahanterana sy fahamatorana. Nefa tena izay tokoa ve no misy? Matotra sy feno fahendrena ary tena tia ny tanindrazany marina ve ny Malagasy miara-miaina aminao [...]

Nandatsa-bato

Niniana natao ilay lohateny hoe “Nandatsa-bato” satria tsy fifidianana no natrehiko teto Antananarivo raha ny sary entiko ho anao no jerena akaiky.
Tsy nisy afa-tsy vato TIM sy valopy no nameno ny latabatr’ireo birao noteteziko (EPP Behoririka, EPP Andravoahangy I sy II, EPP Antanimena, EPP Ankadifotsy ISCAM)

Raha ny taha-pahavitrihana moa dia ambany tokoa. Ary inoako fa [...]

8_Mars

Na dia tsy mbola anatin’ny 8 mars tanteraka aza isika dia entina ihany ity lahatsoratra ity ho an’ny rehetra. Manana ny toerany lehibe eo amin’y fiaraha-monina ny vehivavy. Ankoatry ny maha ravaky ny saha sy endriky ny tanàna azy dia aoka ho tadidy mandrakariva fa izy no kofehy na fantsona iray miantoka ny fitohizan’ny taranaka. [...]

Cyclone “JOKWE?” indray

Vaovao voaray tamin’ny 13h Madagascar: Misy cyclone ao amin’ny Ocean Indien. Jokwe no nahenoako ny anarany .
Ity no andro ratsy faha-12 taty amin’ny faritra.
Mikisaka miakandrefana izy io ary mamonjy an’i Diego raha ny fizotrany. Mbola any amin’ny 190km miala an’i Diego ao amin’ny Avaratra atsinanana no misy azy ity, nefa hitondra orana betsaka sy rivotra [...]

Gidragidra tao Mahamasina

Toy izao no fandehany: Tokony hisy match nifandonan’ny AJESAIA sy ny MOZAMBICAIN teo Mahamasina androany. Nampidirina foana ny olona tao ami’ny stade. Ny adversaire efa tonga teto Tana ary Tany akaikin’ny Sabotsy Namehana tany no nanao fanazaran-tena. Ny billet anefa raisina sy rovitina ao ampidirana ny stade. Raha tamin’ny 15h ny baolina no tokony hanomboka [...]