Procambarus * Foza orana
Procambarus na ” foza orana “.
Ny fomba iainan’ny tantsaha eny Betsimitatatra ny andavanandrom-piainany miatrika ity biby mpanani-bohitra ity no fanadihadiana entiko aminao anatin’ity lahatsoratra ity. Biby miaina sy mora velona anaty faritra mando izy ity. Tsy mifidy izy amin’izany na rano madio io, na maloto, na rano mandeha na miandrona. Araka ny fanazavan’ireo tantsaha tafaresaka tamiko, dia rehefa tsy afa-po amin’ny toerana mihidy (dobo) nisy azy ity biby ity dia mahavita miakatra an-tanety mitady toerana hifindràna. Kendreny kosa anefa, hono, mba ho faritra mando mandrakariva toy ny bozabozaka amoron-drano, na ny toy izany io toerana ataony làlana hifindrana monina io.
Raha ny feo alefan’ny tompon’andraikitra momba azy ity dia hoe olona tsy fantatra no nampiditra azy teto. Ny feo mandeha eny an-toerana kosa anefa dia manondro toerana mazava hoe tao Ambodihady Ambohimanarina tao ihany no nisy niompy izy ity. Tratr’ilay tondra-drano tamin’ny herintaona, hono, ilay dobo niompiana azy ary dia izay no nampihànaka azy eran’ny lemak’Antananarivo, satria tsy Betsimitatatra irery no tratr’ity loza ity, fa hatrany Ambohitrimanjaka. Ary tamin’ny herinandro aza hoy ireo mpivarotra koba teo akaiky teo, dia nisy olona nivarotra azy ity tany Ambatolampy tany, ary nifanenjehan’ny olona eran’ny tanàna.Loza, izany no amaritan’ny tompon(andraikitra manokana mandinika sy mamakafaka ny fomba hiadiana amin’izy ity eny amin’ny Université d’Ankatso. Loza satria voatondro mivantana ho mpandringana zana-trondro
, ary mpihinana fakam-bary izy ity
Eo ambonin’ny harato, tandrifin’ny lohan’ilay rangahy dia misy faritra madio misy rano fotsiny. Ny tanimbary miaraka amin’io dia efa nizaka sahady ny vokatr’ity zavatra taterina aminao ity.. Loza, ary tena loza tokoa raha izay nahitako azy teny Betsimitatatra ny Sabotsy maraina teo. Nandalo teny aho tamin’ny 8 ora maraina. Nandinika ny fivezivezen’ny olona sy ny asa ataony eny. Ao ny manamboatra sy mitono bararata
mba hataon’ny sasany haran-jono (fintana), ao ireo mandroaka ny ombiny handeha hiraoka ahitra
, ao ny manihika maka izay trondro mbola azo antenaina ho azo eny an-tanimbary eny
Tamin’izany no nahitako ihany koa ity lehilahy iray izay nanaiky manokana ny halaina sary sy hanaovana fanadihadiana. Zavatra hafa mihitsy no nataony teny ampiandohan’ny resakay momba ity orana hafahafa ity, saingy nony nitohy minitra vitsy teo ny resaka, dia izy mihitsy no nitaona ahy mba handeha hamonjy vavarano iray
manakaiky tetezana kely teo akaiky teo mba hanao fanaporofoana izay zavatra nolazainy tamiko. Nilaza mantsy ity rangahy ity sy ireo olona rehetra nanomboka nitangorona nony nahita anay niresaka, fa herintaona lasa izay dia tsy mahafeno seau iray ianao raha tsy iray andro. Ankehitriny anefa, hoy izy, dia dimy minitra no hamenoana ny seaux roa.
Niandry azy teo amin’ilay vavarano àry aho, ary ity izy fa niverina niaraka amina karazana harato misy tahony
Nanomboka teo koa ny fanisàna ny minitra nifanarahanay (5 mn). Ity anaty seau ity ny indray maka avy ao anaty rano
Angamba in’efatra narotsaka ilay harato misy tahony fampiàsany iny, dia feno ny seau iray. Mbola tsy lany ny fetra teo an! Dia mbola nitohy ihany. Narotsaka indray, ary dia tsy sasatry ny mampakatra ny anaolahy. Tapitra ny dimy minitra dia natao ny tombana. Feno ny seaux nolazaina, ary ny zavatra nahazendana rehefa nokarohina ny tao anaty seaux roa, dia tsy nahitàna afa-tsy trondro telo. Eny tsy diso famaky ianao fa TELO no mba trondro tao.
Ankoatra ny fakàna azy amin’ity karazana harato ity, dia misy ny tonga dia mandroaka amin’ny tànana
ary dia mahazo. Misy làlan-tany mandalo eo anelanelan’ireo tanimbary eo Betsimitatatra ireo, ary io toerana ikarohan’ilay rangahy maka orana amin’ny tànana io dia aty amin’ny ilany havanana raha mandeha ho any Ankasina avy amin’ilay lalan-tany ianao
Jereo fa efa mihabanga ilay morony
Ny antony ve> Mbola ireo foza orana ireo ihany no mandavaka ny sisiny, ary dia mihotsaka tsikelikely ilay sisiny iny. Matahotra mafy noho izany ireo tantsaha eny an-toerana, fa raha izao no mitohy dia hikambana ireo tatatra roa fampidiran-drano andaniny sy ankilan’ilay làlana. Ary mazàva ho azy fa dia ho tàpaka koa ilay làlana. Be anefa no mampiasa azy io ireo mpiasa amin’ny orinasa afak’haba (Zones Franches) eny Andraharo sy Andranomahery iny.
Raha arotsaka ao anaty rano ao ny vovo, hoy ihany ireto tantsaha ireto, dia afaka mandeha mankany Analakely aloha ianao raha misy dia maika haleha. Avy any ianao dia mampiakatra ny vovonao, ary dia mavesatry ny foza orana ny seau mandeha mody.
Tamin’ny voalohany dia natahotra ihany ilay rangahy ny amin’ny resaka nataoko, satria noheveriny ho olom-panjakana mangarom-bava,hono aho. Ny fanjakana mantsy, hono, izao efa manenjika izay olona mivarotra azy ity eny an-tsena. Vaha olana naroson’ireto tantsaha ireto mba hampihenana azy ity mandra-pahitan’ny fanjakana izay tokony hatao, ny tsy handraràna ny olona haka azy itony. Ka na hohanin’ny ankohonany izany, na amidy fa tsy amidy velona kosa anefa. Izany hoe efa voakarakara ho sakafo efa azo hanina avy hatrany vao amidy. Tsy mitsaha-mitombo, hoy izy ireo, ity biby ity, nefa izay maka indray dia bedy, ka ahoana ny fambolena vary ety amin’izany?
Ingahy mpandraoaka omby hitantsika amin’ny sary aza dia mpiadidy ny fambolena manomboka eny Antodiana, Andranovory, Andranoambo, tatatr’Ingahibezandriny sns… eo amin’io lemak’Ibetsimitatatra io. Nilaza izy fa nantsoina nanatrika fivoriana tany amin’ny Faritra ‘Région), ary nomena baiko hitaona ny tantsaha hampakatra vokatra avo roa heny noho ny teo aloha, raha kely indrindra.
Misy mihitsy aza amin’ireo tantsaha no nandefa eritreritra lavitra be hoe, “sao dia niniana nalefa àry izy ity mba hanimbàna ny voly eto Betsimitatatra ka hamadihana ity lemaka ity ho lasa tanàna rehefa tsy mahavokatra intsony?”. Tsy hitako izay navaly azy ireo tamin’iny. Ny sasany kosa indray izay tsy sahy mihinana azy ity dia maka azy ihany saingy potehiny amin’ny maritoa (marteau) mba hatao sakafon’ny biby fiompy ao an-tanàna.
Misy itony ahitra maitso itony no voalazan’ireo tantsaha fa tena sakafo iray mamelona ay ity, ankoatry ny fandripahana ny zana-trondro.

Mbola mba misy aloha faritra sasany hitako fa voaaro amin’ity foza orana ity ihany ireo zana-trondro, satria ny zana-trondro mandeha aty ambonin’ireo zava-maitso maniry anaty rano ireo, ary ireo foza ozana kosa any ambany. Ankoatra izay dia ireny lakana arendriky ny tompony eny an-tanimbary
ireny no ampiasain’ny zana-trondro ho toerana fiafenana toy ity hita amin’ny sary ity. Nefa mandra-pahoviana? Rehefa tonga indray mantsy ny mpitondra lakana dia akarina ambony rano ny lakana ary tsy maintsy avoaka daholo izay mpandeha tsy nahaloa vola tao anatiny, dia ny rano sy ny miaraka aminy rehetra.
Fa izay tena nampivarahontsana dia ny nahalala fa tafanika hatreny amin’ny tanàna ambony eny Ambohimandroso itony foza orana hafa kely itony(anaty tatatra eny an-tanàna.

Tsara ny manamarika fa tsy mila lahy izy ity rehefa hanatody (parténogénèse), fa manatody daholo izy rehetra. Ary 300 ka hatramin’ny 800 atody isan-taona no avoakan’ny iray amin’izy ireo.
Nolazainy aza fa raha afaka miverina amin’ny dimy hariva ianao ramose dia miverena fa hahita olona efa ho roapolo (20) eto amin’ity vavarano ity samy mitondra seau izay zakany. Tsy misy miala maina ireo fa samy mitondra mody. Rah Mbola tratranao koa ny mandeha ety amin’ny 5 ka hatramin’ny 6 maraina dia hahita posy mitandahatra amin’iny lalan-tany iny ianao, handeha hivoaka any Ankasina any. Ny posy iray amin’izany dia misy mitondra hatramin’ny 12 gony. Tsy fantatra hoe entina aiza izany na ho entina aiza.
Ka raha manome 1,2 tapitrisa atody isan-taona ny iray, (Gazety MALAZA, sabotsy 02 febroary 2008, pejy faha-11), dia ataovy ny kajikajinao fa ho lavitrisa (milliards) izay isa hivoaka eo raha dimy minitra no nahazoana roa seaux. Iray seau manome eo amin’ny 15 kapoaka raha kely indrindra, ary ny iray kapoaka amin’ny madinidinika manone foza orana eo amin’ny 30 eo.
Izany hoe 30 x 15 x 1200000 ny roa seux = 540 000 000 atody
Mandra-panoratra indray.
Izay mbola itondran’ity ahy dia itondrako voan-dàlana ho anao mpamaky.
Archivé sous: tapatapany | Taggé: Betsimitatatra, foza orana, procambarus, voly vary

























Dia tena misaotra gazetyavylavitra fa dia nahaliana, nahalalàn-javatra ity lahatsoratrao iray ity. Misaotra koa nanisy rohy tatsy amin’ny blaogy.com fa izay tokoa no mora ahitànay ny lahatsoratrao.
Mba nentim-paniriana te hahalala nisinisy kely aho ka hitako teto amin’ny aterineto fa :
Araka ny voalazan’ny :
Ny procambarus* na koa procambrus* dia antsointsika koa hoe : “orana maramara”. Manatody 200 ka hatramin’ny 400 ny vavy iray rehefa ririnina, izay mety mahatratra 800 mandritra ny fahavaratra. Mihalehibe haingana zareo. Mbola ao Andrenivohitra ihany no ahitàna azy hatramin’izao.
Voalaza koa anefa fa tia hafanana izy ity satria velona ao anelanelan’ny mari-pana 15° sy 30°. (tarehimarika izay mety tsy hifandraika tsara amin’ity karazany tonga aty amintsika io)
Koa raha io no dinihina dia ny ririnina no fotoana tena tsara iadiana azy ity [(araky ny eritreritro ambony latabatra :-)]. Ohatra hoe : mifanaraka daholo ny mpamboly (na koa asiana lalàna milaza ) fa ritina ny tanimbary amin’ny ririnina (ie tsy asiana rano no tsy avela hanirian’ny bozaka). Izany moa dia ampiarahina amin’ny fampiasana “produits” hafa (”herbicide”, “insecticide”, sns). Mila ny fidiran’ny fanjakana an-tsehatra moa izy ity, tahaka ireny “opération” DDT eny amin’ny tranon’ny mpianatra fahiny ireny :-).
Raha tonga any amin’ny faritra be orana sy mafana manko izy ity dia tsy handaitra io tetika io (oh: Toamasina, sns). Ny olana amin’io narosoko io aloha dia ny handrisika ny mpamboly tsy hiompy trondro sy hamboly e : satria haintsika ihany ny hasarotry ny fiainana.
Koa vahaolana arosoko hafa, dia ny fomba ara-biolojika : fiompiana trondro lehibe izay tsy nafoy tao an-tanimbary fa nampidirina. Izany hoe fidìna ho trondro afaka mihaza an’ireto foza maramara ireto.
Vahaolana ambony latabatra ihany ireo fa mila fandalinana sy fikarohana.
Ny fikarohana toy itony indrindra no ilàna an-dry zareo ao amin’ny ESSAgro ka inoako fa hisy mpianatra sy mpampianatra handalina kokoa ny amin’izany (raha mbola tsy nisy mazava ho azy
)
azafady fa dia lasa ilay lahatsoratra manontolo no lasa mandefa any amin’ny rohy:
http://www.madagascar-tribune.com/La-Revolution-Verte-est-menacee,2981.html
sy
http://www.aquabase.org/crustacea/view.php3?id=62
Olana goavana ho an’ny tantsaha ny hanao izay, nefa misy ny vonona rehefa izay no làlana hita fa mety. Ny tsy fahafehezana ny rano ka tsy ahafahan’izy ireo mamboly vary indroa isan-taona toy ny eny amin’ny faritra Alasora aza efa mampikaikaiky azy ireo, maika fa ny hoe hamela ny voly avotra kely mety ho vita mandritry ny ririnina. Ny fanazavana hafa naroso koa dia mandavaka 2m midina anaty tany mitady hafanana ireto biby hafahafa ireto raha ritra ny rano. Izany hoe asa goavana no miandry ireo mpikaroka amin’ity ady iray ity. Ny irariana dia ny tsy hitondran’ireo mpivarotra azy ity hivezivezy eran’ny Nosy. Raha izay mantsy no mitranga dia zava-doza tokoa no miandry ny Malagasy sy ny zavaboahariny.
Tena marina daholo ireo rehetra ireo, fa saingy misy tokony ahitsy kely hoe Loza satria dia mety atao sakafombiby tsara ary mampatavy azy ireo raha azo lazaina. Mba mponina eny ihany mantsy ny tenako fa toa mbola nahavoka-bary betsaka mihoatra ny tàmin’ny taona lasa ihany ny tanimbary.Nefa ianareo milaza fa Manimba fakam-bary izy io? tsia satria ny vary aza dia voaava tsisy hoatrizany. Io ny mail raha te hamaly ianao fa vonona ny hiresaka aminao aho Misaotra betsaka
Ny tatitra rehetra nahazoana ireo zava-boalaza ka nitondranao fanamarihana dia tsy avy aiza akory fa avy amin’ireo mpampianatra mpikaroka (enseignants chercheurs) eny amin’ny Anjerimanontolo Malagasy izay nanaraka akaiky ity raharaha ity sy nitondra fanentanana tamin’ny fotoan’androny ho an’ny mponina teny Ambohitrimanjaka. Ary raha tena mponina eny amin’ny Betsimitatatra ise dia hahita io vavarano nalaiko sary io. Araho akaiky ny manodidina azy io dia ho hitanao fa feno lavaka sy efa misy banga be ny morona. Manaraha ny tatatr’Ingahibezandriny dia hahatsapa ianao fa mikorotsaka ny moron-drano. Atahorana noho izany ny hitàran’izay tany mihotsaka izay sy hahasimba ny làlana hoy aho. Mba mikarakara miaraka tanimbary amin’olona eo mantsy aho ary saika mila ho isaky ny faran’ny herinandro no midina mandalo eny, mba sady mitsidika ny mpikarakara no mijery ny zava-misy ihany koa.
Fanampim-baovao entiko koa ity manaraka ity, toa efa amporisihana indray izao ny tantsaha eny an-toerana mba haka azy io amin’ny fomba rehetra noho io loza aterany io {Raha nenjehina izany tany aloha). Ny antony dia sitrany ahay mba mihena ny isany. Ary marina tokoa ny teninao fa tena sakafom-biby tsara tokoa ilay izy. {Efa nasehoko an-tsary ato angamba izany tamin’ilay sarin’izy mianaka mively amin’ny maritoa sy manao izany ao anaty seau mba ho solon’ny provende).
Angamba mety ho naningana ny ahy raha izany, fa ny voka-bariko tamin’ity dia nihena. Na mety ho niangatra koa ny vintana!!!
izay indray aho vao nahalala ity vaovao ity ry avilavitra, lalina izany !