FANALAN-JAZA

Dia nivoaka izany ny tatitra taorian’ny fihaonana nataon’ny vondrona katolika fa dia VOALOHANY aty Afrika i Madagascara amin’ny resaka fanalan-jaza. 75.000 isan-taona ny vehivavy manao izany, noho ny antony maro samihafa (aretina, tsy mbola te-hiteraka, tahotra ny vavan’ny olona, fanolanana, hamaroan’ny efa eo an-tanana.sns… ;) 40% amin’ireo dia avy amin’ny fianakaviana sahirana avokoa, ary ahitana ny sokajin-taona [...]

Tra-boina ao Anosizato Andrefana

Nandalo teny amin’ny toby andraisana ireo tra-boina eny Anosizato Andrefana aho ny sabotsy (23-02-200 maraina teo. Nanatona tao amin’ilay birao misahana sy manara-maso azy ireo izay tsy lavitra ilay toby fa eo anila eo ihany. Lehilahy roa no tao ary dia napetraka ny fanontaniana. Tsy nandà ny hamaly izy ireo saingy ilay fomba famaly [...]

Cyclone_IVAN :ireo SISAM-PATY

Sisam-paty no fialazan-tsika Malagasy ny olona na zavatra avy nisedra ny mafy toy ireny avy nosedraina tamin’i IVAN ireny. Na dia voalaza fa tsy nisy azany maty tany Sainte Marie dia aleo indramintsika ihany io fiteny io hatao lohateny.
Tonga omaly alina avy any Sainte Marie ilay vehivavy niantso ny rainy taty Antananarivo. Izy mivady izay tsy iza [...]

Cyclone_YVAN Fialan-tsiny

Dia tena misy tsy vanombanon-toetra ny olona an! Momba ilay resaka Sainte Marie dia nataon’ny mpanao gazety izay nahitana ny rain’ilay niantso nila vonjy avy any Sainte Marie . Ary isaorana i Fanja Saholiarisoa (www.lexpressmada.com du 20-02-2008 page 7)  fa nampitainy ao ny hafatra avy amin’ilay raim-pianakaviana. Toy izao izany hafatra izany “Les personnes ensevelies [...]

Cyclone IVAN - Ireo takaitra

(jereo koa ny sarin’ny fandalovan’i IVAN teto Antananarivo  etsy amin’ny rohy SARIN’I AVYLAVITRA More Photos)
Ny zavatra tena mampihetsi-po ahy taty farany teo izao dia ireo olona teny Ambohimanarina. Trano gasy efa tena antitra be no nirodana omaly alina. Olona efa ho roapolo latsaka no voalaza fa nonina tao. Reny bevohoka iray no tany ambany indrindra. [...]

CYCLONE “IVAN”

Niditra tao Sainte Marie omaly ny cyclone IVAN. Nandrava zavatra maro, fa ny tena tiako hampitaina eto dia ny fahatapahan’ny fifandraisana nahatonga faty olona sivy tany an-toerana. Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy  taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin’ny olona valo hafa [...]

FASAN’NY KARANA

FASAN’NY KARANA
“Eny amin’ny fàsan’ny karana” no fiteny rehefa mandray fiarakaretsaka hamonjy ny toby fiantsonan’ny fiara mpitatitra mankany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ianao.
Misy fàsana fandorana fatin-na karàna mantsy eo ampita kelin’io toby io.Very anàrana ny toerana, tsy voatonona intsony ny hoe eny Ankadimbahoaka izay anaran’ny toerana. Izay eo ihany, fa izay mety ho fahaverézana hafa no [...]

RATSIMANDRAVA

 Hafatra nisy nandefa tamiko izy ity ary anio vao hitako. Tsy aritro fa zaraiko aminareo eto. 12-02-2008 isika izao, nefa ny teny rehetra voasoratra ato anatiny no mba tiako hodinihana sy hosaintsainin-tsika mamaky. Fa mba nankaiza tokoa moa ny fankasitrahana ireny olon’ny tantara ireny e? Sa dia hoe aleo ny lasa homba ny lasa ? [...]

Elanelam-panahy

Zavatra isan’ny manahirana ankehitry ny miteny, na mitondra teny. Indrindra fa raha resaka raharaham-piaraha-monina no andraisanao anjara. Miteny tsy mety ataon’ny mpanohitra ianao dia sokajiana ho olon’ny mpitondra, milaza ny kivalavala ataon’ny mpitondra indray ianao dia lazaina fa hoe mpanohitra. Izany hoe bedy ianao raha vao mitoetra eo anelanelany. Fa na ho tezitra aza aloha [...]

Ankatso_Ilay Edena Vaovao

Lahatsoratra nivoaka tamin’ity herinandro ity no entiko aminao eto. Maneho ny fahasahian’ny mpianatra, mampibaribary koa ny gaboraraky ny mpitantana (tsy hiteny aho hoe ny taloha ve sa ny ankehitriny), ary ny tsy fandraisana andraikitry ny sasany. Soa aloha fa mba nisy ny fidinana teny an-toerana tamin’ity indray maka ity ka nahafahan’ny mpanao gazety (toy ity amin’ny L’Hebdo [...]