Rotsirotsy

Nandalo iny ny rivo-doza voalohany (FAME). Efa mihaodihaody any kosa  ny faharoa (GULA). Nanimba an’i Besalampy hatrany amin’ny 95% i  FAME. Nitondra orana eran’ny Nosy. Isan’ny nizàka izany sy mbola hizàka izany, tahaka izay efa nizakàny azy nandritry ny taona maro nivadibadika ny etsy anoloan’ny Rotsirotsy, akaikin’ny EPP Andravoahangy. Efa nisy fanamboarana ihany io làlana [...]