salon du recrutement

Nifàrana omaly 27 janoary 2008 ny salon du recrutement nokarakarain’ny Exhib’Mada / Orange Madagascar / BFV- SG, rehefa naharitra teo amin’ny efatra andro teo. Teny amin’ny Alliance Française Andavamamba no nisy azy ity. Maro tokoa ireo Malagasy tonga nihazakazaka teny mba hanatitra CV sy hanao “Entretien”.

sunp0015.jpg 

Nahitana ny sokajin-taona rehetra sy ny sokajin’olona rehetra ihany koa (na ny vao mitady asa voalohany , na ireo te-hiova asa mitady zava-baovao). Tsy  ny avy eto Antananarivo ihany izany no tonga teny fa hatramin’ireo avy any amin’ny faritany sendra nandalo ka nahalala ny fisian’ity hetsika ity dia nanararaotra avokoa. Tsy nahagàga araka izany raha holazaiko hoe nahatratra 1 km latsaka kely ny halàvan’ny laharana raha natao laharan-tokana.

sunp0004.jpg 

Efa mahazatra loatra antsika Malagasy mantsy ilay mitangorongorona iny, na dia laharana aza no asaina atao. Nanomboka tao anoloan’ny vavahady Alliance io laharana io,

sunp0001.jpg 

mandalo eo anoloan’ny vavahadin’ny ENS, mitohy manaraka ny sisin-dàlana mankany anaty tanàna any avy eo.

 sunp0018.jpg

Ny tao anatin’ny efitrano no somary tery ka tsy dia tsara loatra ny sary azo (naleoko najanona).

Hita araka izao fa tsy maharaka ny tinady tokoa ny tolotra. Raha nilaza ohatra ny Orange fa mitady olona 200, dia CV-na tanora an’arivony kosa no mifandrombaka.

Maro ireo orinasa tonga tao no naniry ny hitohizan’izy ity. Mieritreritra araka izany ny mpikarakara ny hanao azy ity ho isaky ny enim-bolana raha isan-taona izany teo aloha. Ny avy ao amin’ny Ministera misahana ny Fampananana asa kosa indray dia tonga mba hanara-maso, sao,hono, mantsy misy ny resaka fakàna vola amin’ny mpitady asa, toy ilay tranga ‘BAHAMAS”, ka tsy hanaiky mihitsy ry zareo. Faly anefa izy ireo rehefa nahita fa dia tena fanampiana madio ho an’ny tanora Malagasy tokoa no nisy nandritry ny andro vitsy nanaovana ny hetsika.

sunp0005.jpg

sunp0006.jpg

sunp0007.jpg

4 Réponses

  1. zany ny atao hoe reportage !!
    Tsy mahagaga raha be olona be ny tonga tany , tsara be mihitsiny izao zavatra zao raha oharatra entarina any @ provinces vao maika mandeha be (any tamatave ko zaohitako fa efa be asa be ao amin’ny port sns)
    Ary nisy koa ve ny stands “Formation”? sa hoe efa Éintégré” ao ampiasana lé izy?

    ary ianao anga tsy ny tangorogoroma teo ko????

    hihihi

    bizzzzzzzzzzzzzzzzzzzzzz

  2. Ny manadihady fotsiny no ataoko k’ah! Ny nampalahelo dia be tamin’ireo mpilahatra no tsy tafiditra nahita izay mba tao anatiny tao akory. Ny resaka formation indray dia toa efa any anivon’ny orinasa any daholo izao no anaovana azy.
    Momba ny resaka Tamatave dia marina ny teninao. Nambara tamin’ny fomba ofisialy fa hatao renivohitra economique izy, ary dia mino aho fa ho betsaka tokoa ny asa any. Somary misy ambadika politika ihany ilay fanambaràana na dia lavin’ny mpitondra mafy ery aza ny fahamarinany. Izao mantsy, voatsipaka ambava-fo ny TIM teto Antananarivo, ka tsy faly ny mpitondra. Eny amin’ny couloir no andrenesanao fa ho sazin’Antananarivo dia halefa any amin’ny faritany izay zavatra nomanina hatao eto. Resaka an-jorony daholo no andraisana izany rehetra izany. Ny teny anefa toy ny atody, raha foy manana elatra, ary matoa nivoaka izany fitenenana izany dia nisy ny tsy nahatam-bava tao. Izao aza dia ifandroritan’ny commune urbaine Antananarivo sy ny mpitondra ny momba ny fanendrena ny sefom-pokontany: ny mpitondra milaza fa olona tendrena no tsy maintsy mitondra fokontany, ny commune sy ny vahoaka indray miteny fa olona fidian’ny maro no tsy maintsy apetraka eo fa raha tsy izany dia tsy ho tomombana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana tian’ny commune hatao. Resaka hafa sendra nivilana iny fa tsy misy ifandraisan’ny amin’ity post ity. Azafady. hihihi
    kisssssssssss

  3. Zay ary lé miblaogy lotra! Rehefa tratran’io dé tsy mahazo mijanona intsony fa tohizana katramin’ny farany (fanga izy ity misy farany?)
    Tsy mahaga mihitsiny ny ataon’ny fanjakana, tsika moa mbola tsy azo atao hoe democratie lotra ka hotrany hoe tsy maintsy manaraka foana. Fa raha ohatra moa mba hampandroso ny any @ province (fa maninona tamatave ihany? Tuléar koa mba mila fanampina mafy dia mafysady any efa mandeha be ny port).
    Amin’ny manaraka tokony tonga dé Palais des Sports mihitsiny no tokony hofaina, sady hitako fa matanjaka be daholo ny sponsors t@ ty.
    Tsy andriko ery zay hamakina ny lohantsoratra manaraka (tsy hitano fa lasa mba “moyen moyen” ve ny teny gasiko!?!?!?)

    Bizzzzzzzzzzz

  4. mmhhh tena betsaka ny ezak’i ra jogany izany @ fanoratana teny malagasy annn, tohizo fa tsara e!

    avylavitra, tena mahaliana foona akia ny mamaky ny asa soratrao annn! tohizo fa mahafinaritra e!

Laisser un commentaire