Mba ho fandraisana anjara amin’ny fanapariahana izay tsara ho fantatra momba ny gripa AH1N1, indro atolotra antsika ireo fambara rehetra ahalalana fa tratr’ilay aretina ny olona iray. Entaniko koa ianao mamaky azy ity mba hanapariaka azy, ho tombontsoa ambonin’ny Malagasy tsy vaky volo, ary ho fitsimbinantsika ny taranaka fara handimby. Aorian’ity dia mbola hatolotro etoana kosa ireo fomba tsotra azon’ny tsirairay atao mba hiarovana ny tena sy ny ankohonana tsy ho tratry ny aretina
FANTARO NY METY HO FAMBARAN’ ARETINA GRIPPE AH1N1 NY FISEHOAN’NY ARETINA DIA TOY NY GRIPPE TSOTRA
₋ MAFANA HODITRA ambonin’ny 38°
₋ MIKOHOKA MAINA
₋ MANGARAKA NA MARARY NY TENDA
₋ MARARY NY AN-DOHA
₋ MARIKODITRA
₋ MAHATSIARO TENA VALAKA , VIZANA BE,
₋ MANAKOTSAKO NY VATANA
Manatona ny tobim-pahasalamana mba hahazo fitsaboana sy ho haraha-maso.
TOKONY HO MAILO ARY MIVERINA HO ZAHANA, NA MANATONA AVY HATRANY NY HOPITALY RAHA MISEHO KOSA IRETO FAMBARA IRETO:
Eo amin’ny zaza:
₋ Manano-sarotra ny fiainany
₋ Mangamangana ny tenany
₋ Tsy mety minono sy misotro rano
₋ Mandoa sy mivalana
₋ Sarotra fohazina
₋ Kizikizitina
Eo amin’ny olon-dehibe :
₋ manano-sarotra ny fiainana
₋ Sempotsempotra
₋ Marary na mihizina ny tratra
₋ Marary ny kibo (manotika na mivalana)
₋ Fanina
₋ Mandoa tsy mijanona
Mety tsy maro aminareo no mahalala ny DOTMG, nefa dia namana mahafinaritra io. Taitra aho androany nahita ny mombamomba azy nivoaka tato anaty aterineto, tamin’ny Express de Madagascar. Azonao atao koa ny mamantatra bebe kokoa ny aminy ato amin’ity rohy ity.
Fa izay tena mahafinaritra aminy dia ny fandalàny koa ny teny Malagasy sy ny ezaka ataony hametrahana izany eo anivon’ny tontolon’ny haitao avo lenta. Mpiara-miasa mavitrika amin’ny tetikasa TELOMIOVA izy. Izy no namorona ny rindrambaiko antsoina hoy tsipelina, izay mitsikilo sy miezaka manitsy ireo teny diso fanoratra amin’ny tenindrazantsika. Isaorana azy. Mba tsidiho ireo rohy omena anao ato anatin’ity lahatsoratra fohy ity, fa tsy hanenenanao ny mahalala hoe MAHAY ZAVATRA NY MALAGASY.
Tsy zoviana amin’ireo rehetra mpandalo eny amin’iny faritr’Ambatomitsangana iny ny fisian’ireo mpanao batterie sy mpitsabo kodiarana teo ampitan’ny biraon’ny fokontany IVB – IVC, teo ampitan’ny fivarotam-panafody TIANA. Andro vitsy izao dia nesorina teo ireo rehetra nanana ny asa fivelomany teo, ary misy asa fanorenana kasaina hatao eo amin’ilay toerana.
Ny olana naterak’ity asa ity ho an’ireo tokantrano manodidina azy dia azo fintinina ho toy izao manaraka izao:
1* maniratsira ny mpifanolo-bodirindrina sy mandroaka ireo izay entanin-kiry tonga mijerijery eo ireo mpiasa eo amin’ilay toerana. Araka ny fanazavan’ny raiamandreny iray eo an-toerana aza dia ny ‘ompa anabavy sisa no tsy mivoaka ny vavan’ireo mpiasa’. Video
2* noloarana nidina efa ho 3 na 4 metatra midina any ambanin’ny tany any ilay toerana. Video
Ary dia nataon’ireo mpiasa mifanerana amin’ny vodirindrin’ireo manodidina mihitsy ny fanahatsahana sy fanalana ny tany tao. Miseho noho izany ny rarivato nataon’ireo trano manodidina ho fototry ny tranony.
3* rehefa nahita izany rehetra izany ireo mponina manodidina dia nanao filazana tany amin’ny Firaisana sy ny Fivondronana, nefa toa tsy nahita izay tohin’ny taratasy fitarainana nataony ry zareo. Nisy aza moa ny filazan’ny iray tamin’ireo solontena fa vitan’ny tao amin’ny Fivondronana mihitsy ny nitaky vola tamin’ny solontena iray tamin’ireo mponina tonga nanatona tany amin’ny birao, raha tiany ny hanafaingana ny raharaha, satria, hono, “goavana” no ao ambadik’io asa fanorenana io.
4* manomboka mitriatra noho izany ny rindrin’ireo trano manodidina vokatry ny rano mihandrona mandonaka ny fototry ny trano. Video
Misy ny hita ety ivelany, ary misy kosa ny any anatiny ka any amin’ny rihana voalohany no manomboka mitriatra.
5*Rehefa nihilana tsy ela akory anefa ny masoandro dia nihotsaka mihitsy no niafaran’ny sisin-dalambe falehan’ny vahoaka ary santimetatra vitsy sisa tsy hirodanan’ny andrin-jiron’ny JIRAMA eo akaikin’ilay toerana anaovana ny asa, noho ny lavaka be hita ao ambanin’izany andrin-jiro izany.
ka nahatonga ny fanangonan-tsonia nataon’ireo efa ela nipetrahana teo ho fanohanana izay fanapahan-kevitra izany. Video
Noho ilay toerana efa voalavaka lalina tokoa, dia nivarina ao daholo ihany ny rano maloto rehetra avy any amin’ny faritra ambony rehetra any, ka zary lasa toy ny dobo filomanosan’ny vorona sanatria ilay toerana.
Ankoatr’ireo olana voatanisa etsy ambony dia naneho ny alahelony ny amin’ny tsy firaharahana ny madinika manao fitarainana ireto mponina ireto.
Ny hariva teo moa dia tonga teo an-toerana ny lehilahy iray izay sady nilaza ho tompon’ny asa atao, no tompon’ny tany sy ny trano haorina rahateo koa. Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpifanolana aminy teo izy nandinika ny amin’izay vahaolana tokony sy tsy maintsy horaisina. Ndeha ny sary sy feo nifanakalozan’ny andaniny sy ny ankilany no ampitenenina. Tsy asiana fanamarihana.
Be ny lany rora nananatra “tanora”
sy ireo nibedy “zoky tsy nahalala voky”
ka dia nisesy ny andro, nivalona ho volana
nantenain’ny maro hitondra vahaolana
fa ny ankohonako tato an-tokantrano
ilay vilany nongoko efa foana tsisy rano
indrisy, ny fotoana lany
nitaninana andro nanohanana ny tany
tetsy an-tokontany
Fa tonga kosa ny orana, ho adino ny andro maina
nidonanaham-poana tsy antoandro tsy maraina
tsy hisy intsony hahita
na hamaly ‘zay mba vita
hanangona aina vao
hitady asa vaovao
fa lany tampi-maso
tsy afa-miandry ‘andraso-andraso’
ry zalahy, ny latabatra hiraisana
hihinana, hisotro
zahay, nahita faisana
hiaina-mikoroso
ny vatana farofy tsy maintsy be taraina
politikan-kibo izao no andrandraina
Vaka ity ny saina fa sarotra ny miaina
sao tsy ho re intsony ny hoe “ho avy ny maraina”
Lahatsoratra iray notsongaiko tao anaty Midi-Madagasikara nivoaka tamin’ny aterineto androany 10-11-2009 no entiko etoana, ho fanampin’izay efa re sy fantatry ny maro hatry ny ela, nefa kosa toa odian’ny Agence de placement ialàna bàla foana rehefa miresaka sy manazava ny manjo ireo mpiasa nalefa ‘hanompo’ any Libanona ry zareo. Eny Ambohipo eny no misy ny iray amin’ireo agences de placement mpandefa olona any ireo. Ity lahatsoratra ity
Travail au Liban
Entre l’enfer et la « belle vie », l’incertitude… deux femmes témoignent
dia nosoratan’i Hanitra R. ary tamin’ny teny frantsay. Maro anefa ny olona no tsy dia hahay daholo ny teny frantsay, ka ezahako fintinina amin’ny fomba malalaka ihany amin’ny teny Malagasy ilay izy. Betsaka amin’ireo vehivavy maniry ny handeha any no avy eny amin’ny ‘tanana ambany’ (famaritan’ny maro ny tanàna toa an’Antohomadinika, Isotry sy ny manodidina toa azy io). Mazava be araka izany raha tsy dia mahafehy teny vahiny ny maro aminy, ka dia mitranga izay tsy nampoizina rehefa misy ny olana tokony hifanakalozan-kevitra, nefa ny teny tsy hifankahazo 100%.
Anelanelan’ny afobe sy ny « fiainan-tsambatra », ny fisalasalàna… mijoro ho vavolombelona izy roavavy
Nanohina ny maro ireo trangam-pahafatesana nahazo ireo mpiasa vavy nalefa tany Liban, ary vao mainka nampametram-panontaniana ny maro ny fahitàna ny vatana mangatsiakan’ny iray tamin’izy ireny tonga farany teo. Nanaitra ny sain’ny tomponandraikitry ny Ministeran’ny asa ihany koa ilay tranga ka niafara tamin’ny fampiatoana ny fandefasana olona hiasa any Liban sy ny fijerena manokana ny tontolon’ny asan’ireo efa any an-toerana. Sarotra tamin’ireo olona niasa tany Liban ny nijoro ho vavolombelona tamin’ny fotoana teo aloha raha nisy roa tamin’izy ireo kosa azon’ny gazety nifampiresahana, saingy tsy nanaiky ny halaina sary.
F.R. 27 taona Fianakaviana mahay ny teny frantsay no niasany ary tsy dia nila loatra ny nahafehy ny teny fampiasa ao an-toeran izy noho izany. Tsy araka izay nanetenainy ny zavatra nihatra taminy satria olona mahery setra (na ny mpampiasa, tsy lahy tsy vavy, na ireo zanany lahy), ary dia mandeha ny daka sy totohondry, hatramin’ny fisintonana volo raha vao misy zavatra kely sy bitika tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’ireto mpampiasa. Asaina soloiny ny sandan’ny sakafo sendra diso nahazoazo sira. Tamin’ny fiafaran’ny fifanarahan’asa tao amin’io fianakaviana iray io dia niova mpampiasa izy fa menatra ny hody tsy manana na inona na inona. Nefa niala an’Ankatso dia Ambohidempona, satria ankoatry ny herisetra ataon’ny mpampiasa dia manampy trotraka koa ny havany. Misy amin’ireo havan’ny mpampiasa no mangataka firaisana ara-nofo aminy mihitsy, ka mandrahona ny hitoroka azy main’ny zavatra tsy natao rehefa tsy manaiky. Nolaviny hatramin’ny farany izany, raha ny filazany, ary dia naleony nody an-tanindrazana. Roa taona izy no tany Liban
Namany iray indray kosa no nilaza fa nasaina nanao asa tsy sahaza azy velively, toy ny fitaterana lasakan-tsimenitra ampolony, izay tsy an’ny mpampias azy akory fa an’ny rahalahiny. Nasaina nanadio ny efitrano sy ny fitaratra tany ivelan’ny rihana faharoa izy (nefa tsy misy fiarovana akory) ka rehefa mandà dia iharan’ny daroka. Narary azy ny lamosiny, màngana…mandeha rà ny orona, nefa tsy afaka mamonjy mpitsabo.
Ireo mpiasa vavy sasany izay mba afaka mivoaka tsindraindray dia mifamotoana amina toerana efa mahazatra falehan-dry zareo, mifampizara vaovao, mifampihaino na mandeha mitsidika ny tanana ivelan’i Libanona. Ireo no sendra ny mpampiasa ‘tsara’. Mahazo volana iray isan-taona ho fialan-tsasatra. Saingy sahirana ny sain’izy ireny mieritreritra ny mahazo ireo namany sendra ny mpampiasa ‘ratsy’ nefa tsy afaka manao na inona na inona ho famahana ny olany
Ho an’ireo vehivavy nisafidy ny handeha hiasa any Libanona, dia tsy miankina amin’izy ireo ny ho tojo mpampiasa tsara fanahy, fa dia ankinina tanteraka amin’ny kisendrasendra.
Raha ho any Antsirabe no dianao, na ny fianakavianao, dia mba tandremo ny toy ity.
Nentin’ny hamehana ireto olona vitsivitsy hiazo an’Antsirabe, ka raha tokony ho an’ny amin’ny fasan’ny karana no haka fiara fitaterana, dia notsenain’ny mpanera teo Anosikely (Anosy anoloan’ny Tranoben’ny Loholona). Isan’izy sasantsasany tamin’ny ankohonan’ny mpitantara. Fiara roa no teo. Tsy nisy nanampo ny sangisangy sy ny vazivazy nataon’ireo mpanera ny rehetra tao anaty fiara. Raha iny ilay mbola samy sondriana niandry izay hahafeno ny fiara iny tokoa mantsy ny rehetra (olona 2 sisa no nandrasana) dia ‘mifanala’ eo ivelany eo kosa ny mpanera sy ny namany, ka hoy indrindra ny iray tamin’izay (sady manondro tsirairay ireo fiara roa niantsona teo izy):
Rehefa feno àry ny fiara dia niainga nitodi-doha hianatsimo amin’izay. Naka solika sy nameno rivotra teo Ankadimbahoaka aloha. Teo dia efa nisy ny tranga nampiahiahy ny ramatoa iray izay nipetraka nanandrify indrindra ny kodiarana nofenoina rivotra farany. Nisy rangahy mihaja iray teo ivelan’ny fiara (toa mahay tsara ny mombamomba ny fiarakodia, hono, ilay ranamana). Nanontaniany ilay mpiasan’ny tobin-tsolika nameno ny rivotra hoe:
Ary tsy manary ve izany kodiarana izany r’ise?
Namaly ilehio:
Ie, manary ity
Rehefa vita ny nataony dia nahorony ny fitaovany, fa tsy niteny tamin’ingahy mpamily izy.
Roso indray ny fiara. Teny an-dàlana dia midoladola ilay kodiarana voalaza ka manary rivotra. Mandra-pahatonga tany aloha kelin’ Ambatolampy dia efa impolo kely angamba no nijanona (maty) ny fiara. Antony : Miakatra maripàna isaky ny roa kilometatra mahery eo ny fiara, indrindra moa fa rehefa miakatra fiakarana. Nananomboka ny menomenona sy ny fitakiana famerenam-bola avy amin’ireo mpandeha. Ingahy mpamily anefa tsy mety hamerim-bola fa hoe efa lany nividianana solika sy nanomezana ireo mpanera tany Anosy, hono. Hatreto dia nojerena sy navela nandalo fotsiny ireo fiara hafa nisongona ilay notaingenan-dry zareo.
Ny loza dia nisy tamin’ireny fahafatesan’ny fiara ireny no nitranga tao anaty fiolahana mampidi-doza, ka nanery ireo mpandeha tsy hijanona tao anaty fiara sy tsy nanaiky ny hanohy ny dia intsony, eny fa na dia tsy hamerim-bola aza ny mpamily (mba ho fitsinjovan’ireo mpandeha ireo ny ainy). Nanontaniana ny saran’ny dia hatreo Ambatolampy ka voalaza fa 3000 Ariary (tsy mbola ao anatin’io ny saran-dàlana hankany Antsirabe).
Nisy fiara avy any atsimo ka nahalàla ity mpamily hafa kely ity, ary nanontany azy izay mitranga, dia hoy ingahy io:
Misôfy nedala sady mi-gondole ny motera sady niala ny vitesse
Marihàna fa isak’izay misôfy ny fiara dia mivoaka miaraka amin’ny fasian-drano roa ingahy mpamily ary mitady tanimbary na renirano mba hantsaka sy hameno ny radiateur. Toy izany hatrany eraky ny làlana. Ary dia lasa fihomehezana hatrany ny mahita azy sy ny patalohany mila hiborotsaka mitondra ireo tavin-drano roa miakatra avy any an-dohasaha any. Nanampy trotrka koa moa ny fisian’ny vehivavy iray marary saina nentin’ity mpamily ity (izay nivavaka mihitsy ny hivarinan’ny fiara any anaty hantsana, hono, fa izy efa te-ho faty nefa tsy mety maty mihitsy). Asa na ahoana no mba fipetraky ny raharaha toy izany? Tena tsara raha izy sy ny mpamily irery no niara-dàlana fa angamba nety ho tonga tamin’ny tanjona niriany.
Dia nifanaraka teo ny roa tonta (ilay fiara avy any atsimo sy ingahy mpamily) ny amin’ny handefasana ireo mpandeha hamonjy an’Ambatolampy. Tsy ny rehetra anefa no hanana vola amboniny hiatrehana ny toy izany ka dia nisy ankohonana telo teo angamba no tavela niaraka tamin’ingahy mpamily sy ny fiarany teo amin’ilay toerana.
Tao Ambatolampy indray vao nàka fiara hafa sy nandoa vola amboniny namonjy an’Antsirabe. Ireo olona maika rehetra ireo dia tao ny hamonjy dokotera tao an-tampon-tanàna, tao ny hamonjy fahoriana tany Betafo sns…
Koa anafaro fianakaviana ny toy itony, ary indrindra indrindra, tandremo ny fiara TOYOTA 1288 TAG , fa io moa no laharany. Tsy voalaza tamiko ny Kaoperativa misy azy. Fa raha tamin’ny 6ora sy sasany maraina ny fiara no niala teo Anosy, ary nihevitra ny ho tonga tany Antsirabe amin’ny 9 ora sy sasany na amin’ny folo ireo mpandeha rehetra tao anatiny, dia efa nihilàna ela ny masoandro vao niditra ny tanànan’ny Ranovisy ry zareo.
Dia nifety tokoa moa ny olona omaly 07 novambra teny amin’ny Kianjan’Alarobia.
Rehefa niala tany Toamasina tamin’ny Alakamisy 05 novambra tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany ny sarin’afo (satria tsy mbola afo mirehitra no nentina teny fa sary namboarina) fanamarihana ny fahatongavan’ny hosona Lion eto Madagasikara, an’ny orinasa Orange, mba hampitombo ny hafainganam-pandehan’ny aterineto sy ho fampihenana ny vidin’ny tolotra Orange, ka nandalo tanàna maro teny amin’ny làlana nolalovany ary noraisin’ingahy Minisitry miandraikitra ny Teknolojia sy ny solontenan’ny PDS Antananarivo Renivohitra teo anoloan’ny Lisea Teknika Ampasampito
dia noraisina teny amin’ny kianjan’Alarobia kosa ny Sabotsy antoandro tamin’ny 11 ora sy 12 minitra. Tafiditra ao amin’ilay resaka ‘haingam-pandeha’ na ‘Haut débit’ tanteraka amin’izay izany izao ny Orange raha mijanona kosa ho resa-be izany ho an’ireo mpanao tolotra hafa hatramin’ny androany.
Ny tany hono anefa tsy ilaozan’adala, ka rehefa tonga teny ny vahoaka maro, nitondra ny tapakila fidirana maimaim-poana sy naka ny satroka + akanjo bà, dia nahagaga ahy ny fihetsiky ny mpitandro filaminana vitsivitsy niandry ny vavahady.
Samy miandry ny fahatongavan’ilay sarin’afo daholo (izay novàna ho tena afo amin’izay nony niditra ny kianjan’Alarobia).
Naharay antso tampoka anefa izy mianaka ireto fa misy marary tampoka ny zanak’ilay ramatoa any an-tanàna any. Handeha hivoaka izy, tsy nanampo na inona na inona. Tonga dia tositosika avy amin’ny mpitandro filaminana no nahazo azy. Hoy indrindra ny teny navoakan’ireo niandry vavahady:
Tsy misy mahazo mivoaka eto raha tsy amin’ny 12 ora sy sasany
Ny andro anefa amin’io mbola amin’ny 10 ora sy sasany. Niezaka ny nanazava mora ihany ilay ramatoa sy ny zananyhoe raha asaina mifidy amin’ny fety sy ny fahasalaman’ny ankohonana, dia aleo ny fety no tsy hita. Toa tsy aina tokoa ny aina rehefa tsy ny an’ny tena no voatohintohina raha ity tranga ity no raisina.
Tositosika no nahazo azy mianaka, ary dia nanomboka niakatra koa ny feo.
Soa ihany aho fa tsy nitetateta nanao ity karazan’asa lasa zary mahamenatra ity, rey olona. Tsy nisy fanajàna ny maha-renim-pianakaviana , na ny maha efa nahazo taona ilay ramatoa, fa dia naronjondronjona sy natositosika hidina sy hiverina tao anaty kianja izy mianaka vehivavy ireo.
Na teo aza anefa izay zavatra niranga izay, dia nifaly sy nitsinjaka ihany ny hafa, satria izay rahateo no anton-dia tany, ankoatry ny hoe mba hahazo ilay satroka sy akanjo tsy vidiam-bola, sitrany ahay.
Nony tonga teny an-tsofin’ireo mpikarakara ny zava-niseho tenyam-bavahady,dia niantsoantso tamin’ny fanamafisam-peo ry zareo ho an’ireo mpiandry vavahady, fa hoe :
Hoe anareo miandry ny vavahady, aleo hivoaka ny olona izay te-hivoaka, fa izay mivoaka kosa dia tsy mahazo miverina intsony
Amin’ny fomba ahoana moa no hifantenana an’izay? Sarotra tanterahana famora tenenina, satria vavahady tokana no natao hidirana sy hivoahan’ny rehetra, ary ilay izy rahateo fidirana tsy nisy fisavana teo ambony farehefa tonga tany ambany tohatra (anaty kianja) izahay nahita sady fisavana no fizarana kojakoja sy EauVive. Ny talohan’izay no tsy fantatro
14 taona lasa izay no nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny tao amin’ny Ministere des Finances Antaninarenina. Zafy Albert no filoha ary Ravony no praiminisitra tamin’izany fotoana.
Ny 06 Novambra 195 tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 min hariva no voalazan’ny vavolombelona tamin’izany fotoana fa nahitana ny lelafo voalohany teny an-dRova.
Ny 30% tamin’ireo fanaka tao aminy ihany no avotra, raha nafindra vonjimaika ho ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha talohan’ny nametrahana azy ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, izay natao indrindra tamin’izany fotoana hifanandrify tamin’ny tsingerintaonan’ny andro nahaterahan’ny Praiministra Rainilaiarivony.
Kotsan-dranomaso Antananarivo tamin’izany andro izany nony nahita ny lavenona navelan’ny afo ny ampitson’io 06 novambra 1995 io.
Nisy ny fanangonam-bola,nahatonga ilay fiteny manadrohadro hoe ‘mametraha kely mba hanarenana ny Rova’. Saingy tsy dia nisy loatra ny mangarahara tamin’ny fitantanana azy ireny.
2005: nilaza ny hanarenana ny Rova ny Filoha tamin’izany fotoana, Marc RAVALOMANANA.
2009: 90% amin’ny asa goavana nampiandraiketina ny Colas no vita ary mbola ilàna vola hatrany amin’ny 11 miliara ariary ny fanohizana ny asa, izay orinasa hafa mbola tsy fantatra no hanohy azy. Ny asa miandry moa dia ny fandrakofana hazo ireo beton be nananganana ny Rova indray.
Dia nilatsaka izany izao (07 novambra 2009, 6 ora sy 15 min) ny vokatra avy any Adis-Abeba, rehefa nandrasana hatry ny ela ny hahaterahan’AmbatoBevohoka.
Nivara-hontsana ny rehetra raha nandre ny poa-basy! Nifanontany hoe iza indray eto an-tanàna no tafihan’ny jiolahy?
Tsy ela anefa fa ny maraina ihany dia nivadika ho fahatapahan-tsinay ho an’ny maro ny raharaha nampihorohoro teny Sabotsy Namehana iny. Tsy inona tokoa mantsy fa mpitandro filaminana tratra alina ka handeha hamonjy fodiana no nenjehin’ny alika. Hany hery rehefa tsy hita intsony izay haleha, satria tokoa ny alika mahery mihazakazaka noho ny olombelona, dia ny basy no napoaka.