#M21112 / Gl Ravalomanana Richard sy ny tarehi-marika

Tsy aritro ny tsy hanoratra ity zavatra ity rehefa avy nihaino ny fanazavan’ny Gl Ravalomanana momba ny tarehi-marika mikasika ny maty sy ny naratra nandritra ny hetsika teny #Ivato tamin’ny Sabotsy 21 Janoary 2012 lasa teo teto #madagascar

Raha olon-kafa no nanangona ny vaovao momba ireo isa navoakako, dia mety  ho nisalasala ihany aho hamaly, saingy hatreto dia niezaka foana namoaka izay niainana sy hitan’ny maso ny tena, koa dia entiko ity lahatsoratra ity ho fanitsiana ny isa izay naroson’ingahy Gl Ravalomanana. Mino aho fa misy ny telephone azony iantsoana tsara ny Hopitaly Loterana, na azony atao koa ny manantona mivantana eny manamarina ny arosoko etoana.

4 no niditra tao amin’io hopitaly io ny Sabotsy hariva hatramin’ny 7ora hariva latsaka nialako teny, ka toy izao no fizarazaran’izy ireo:

1 sempotry ny entona

3 naratra ka vehivavy ny 2 ary lehilahy ny iray

Amin’ireo naratra ireo dia i Mme Olivia no vehivavy voa teo amin’ny lohany, ary ilay vehivavy monina eny 67 Ha no vehivavy faharoa ka teo amin’ny ranjony no voa. Samy voatery nozairina daholo ireo olona ireo. Farany dia ilay lehilahy voa teo amin’ny hato-tànany.

Indro avoakako eto amin’ny sary daholo izany rehetra izany ho porofo.

Zendana koa aho nahita ny lohateny tamin’ny gazety MIDI Madagasikara omaly nilaza fa 2 no naratra, 1 maty, 7 voasambotra. Dia gazety azo lazaina fa isan’ny goavana sy zokiny toy ireny ve no hanao hadisoana toy izany, ka tsy mba hanadihady tsara sy hanangona ny vaovao araka ny tokony ho izy? Somary nitsiky vendrana ihany ny tena nahita an’izay no sady nieritreritra ny hoe: “Enjehina ery ny olon-tsotra sy bilaogera toa anay rehefa manangona vaovao, ka lazaina fa tsy ao anaty rafitra, noho izany dia tsy tokony hijabaka amin’izany fanangonam-baovao izany”, nefa voaporofo tamin’iny indray mitoraka iny fa mbola manana ny toerany sy tsy azonareo matihanina ireo tsinontsinoavina ny bilaogera sy ny media sosialy.

Ireto ary ny sary nampanantenaina

Mme Olivia, tsy navelan'ny vadiny halaina sary akaky, teo am-pandraisana azy tao amin'ny hopitaly

ilay vehivavy avy any 67ha voa teo amin'ny ranjony

ilay lehilahy voa teo amin'ny hato-tànany

ity kosa ilay lehilahy sempotry ny entona, mameno ny isa ho 4

Kiraron'ilay vehivavy avy eny 67ha

kapoaka matevina nandefasana ny entona, niantefa teny amin'ny lohan'ny iray tamin'ireo vehivavy naratra

#Guantanamo 10 taona Tsy an-kiteniteny

loharano nahazoana ny sary

====> www.facebook.com/disobedience

Folo taona androany ny fonjan’i Guantanamo. Tsy hasian-teny betsaka fa aleo ny sary no hilaza azy aloha anio. Mety mbola hisy ny fotoana hitondrana azy amin’ny teny Malagasy

COSFA – RUGBY nisetrasetra teo Andravoahangy

Zavatra natrehin’ny maso ity tanisaina ity.

Niampita tamin’ny faritra tsy tokony hiampitàna eo amin’ilay boribory manoloana ny paositra Andravoahangy io ireto 3 lahy avy amin’ny COSFA, anaty fanamiana maha mpanao RUGBY azy mihitsy zalahy amin’io, survet fotsy ambony ambany. Nisy moto nihodina tamin’io fihodinana io, ary somary nanakaiky azy ireo. Ry zareo amin’io eny afovoan-dàlana. Tonga dia nokapohan’ilay teo amin’ny sisiny mafy ny ‘retrovisuer’ havia tamin’ilay moto ka niodina tsy tamin’ny toerany intsony. Tsy naharitra ilay nitondra ity farany, ka niverina nangataka fanazavana. Inona ho ianao no valintenin’ilay nanao ny tsy nety?

Fa tsy hitanao angaha fa miampita izahay, ary tsy misy fiampitàna eto

Namaly izany ilay mpitondra moto no sady niteny hoe

tsy azoko mihitsy ny antony tokony hanimbanao zavatra, nefa ianao sady efa any anaty arabe, no any amin’ny faritra tsy tokony hiampitàna

Nampian’ilay mpitondra moto tamin’ny hoe

raha tena nihevitra ny handona anao aho, tsy hanana ny rariny mihitsy ianao satria tany anaty faritra tsy izy mihitsy. Ary azoko toriana naie ianao raha izay no tiako e. Dia any amin’ny fitsarana sy ny assurance ianao no miresaka

Fa vao mainka toa nanome hery ireto mpisotasotan’ny COSFA izany, ka mbola nopehany indray ny retrovisuer havanan’ilay moto, ary dia tapaka tarangana.

Nisy manamboninahitra ambony avy amin’ny tafika nanao double tamin’ny moto , mbola nandeha nanivaka tamin’io làlana io ihany koa fa tsy nanaraka ny fiolahana, sady tsy nanao aroloha , nahita tsara ny fifanazavana teo, ary nijanona nanontany ny fandehan-javatra. Tsy nisy nataon’ity manamboninahitra ity afa-tsy ny nanala ny azy, ary tsy nasiany resaka ny momba ilay zavatr’olona simba

Tsy dia mahagaga loatra raha tsy misy vidiny eny anivon’ny fiarahamonina ny miaramila, eny fa indraindray aza, dia eny anivon’ny fianakavian’izy ireny nihitsy ry zareo no tsy misy hajany. Ry zareo izay eritreretina ho tandroka antoky ny fandriam-pahalemana sy tokin’ny vahoaka. Nefa toa mivadika ho tandroka hanoto sy  horohoro ho an’ny maro kosa.

COSFA RUGBY, mba sampana fanatanjahantena tokoa va re, ary mianatra izany toe-tsaina mpanao fanatanjahantena izany, sa fanofanana inona no raisina ao anatiny ao? Mampanontany tena rana ny zavatra hitako androany

Adinoko fa nisy polisy mandamina fifamoivoizana eo amin’io faritra io, fa tsy nihetsi-bolomaso akory.

Ary mba manao ahoana tokoa moa ny amin’ny anjara andraikitry ny mpitantana ny tanàna sy ny resaka fifamoivoizana amin’ny fametrahana ireny faritra natao ho fiampitàna ireny e?

Mahantra ve ny Malagasy?

Sady ENY no TSIA no valin’iry fanontaniana natao lohateny.

Fa iza tokoa moa no mametra, ary inona no mari-pandrefesana ny fahantràna e?

Ny PNUD amin’ny alàlan’ny antsoiny hoe IPH (Indice de Pauvreté Humaine) ijerena ny tokony hananan’ny tokantrano nefa tsy ananany, sy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) no nametraka fa raha tsy mahazo 2 dollars, (eo amin’ny Ariary 4.000) isan’andro ianao farafahakeliny, mba ho enti-mivelona dia olona mahantra no ikilasiana anao.

Dia mipetraka ny fanontaniana fanampiny manao hoe: Mba firy amin’ny Malagasy re no mahazo izay isan’andro e?

Raha atao mantsy ny kajy dia eo amin’ny $ 60 amerikana/volana na Ariary 120.000 / volana izany no tokony hiditra amin’ny tokantrano Malagasy iray vao azo lazaina ho eo amoron-tevan’ny fahantràna izy. Amoron-tevana satria io no fetra faran’ny ambany tsy hidinana any ambanin’ny tsipika mamaritra anao ho mahantra.

Raha mijery antontan’isa eny amin’ny sampana mpiandraikitra ny momba izany anefa isika dia hahita fa mahery be amin’ny antsasaky ny vahoaka Malagasy, hatramin’ny 70%, no tsy mahita afa-tsy ny 1/3-n’io 2 dollars isan’andro io.

Na io aza anefa no zava-misy dia tsy mety miaiky ary tsy manaiky ny ho tondroina fa mahantra izany mihitsy ny Malagasy sasany. Hita taratra izany ao anatin’ilay hiran’i Mamy Basta, ilazany fa hoe mafy toto RaMalagasy, ary ompaina reny vao miha-mahery, ary mbola manamafy izany ny fomba fiteny eny anivon’ny fiarahamonina eny.

Mba hanaronan’ny ankohonana Malagasy iray ny fahantrany dia aleony mampiasa ny teny hoe SAHIRANA, na dia efa hita izao aza fa mahantra noho ny mahantra. Sahia anie ianao miteny hoe ‘Tena mahantra ry zareo atsy avaratra, sns….e‘, dia hahita ny anganonao ianao. Ary henoy ny fiteniny azy rehefa milaza ny tsy fahafaha-mividiny, na ny tsy fahafahany manatanteraka zavatra iray noho io antony io ny tokantrano Malagasy iray: Sahirana akia / lesy izahay a. Fa tsy misy mihitsy hiteny hoe Mahantra lesy /akia izahay a.

I Madagasikara no isan’ny manana io fidirambola ambany indrindra io aty Afrika, satria ny an’ny hafa mahita manodidina ny  $100 / volana.

Betsaka tokoa no mizaka an’izay fahantrana izay, na dia betsaka koa aza ny banky milaza ho mampindram-bola hanalàna fahasahiranana (fahantrana). Fampindramana izay mbola mamatotra bebe kokoa an’ireo izay afa-miditra amin’izay làlana izay, tsy ho afa-trosa, izany hoe alentika hatrany hatrany ho mpitrosa mandrakizay. Fa famnpindramam-bola mampilendalenda kosa ho an’ireo 70% voalaza ery ambony, satria tsy ho afaka ny hahazo izany velively izy ireo noho ny antoka tsy maintsy hotakian’ny banky aminy. Ny hohaniny aza mboa hokarohana. Rahoviana izany izy ireny sy ny taranany no ho afaka hindrana vola hanorenana fihariana? Ankamantatra

Ankoatra ny IPH, dia misy koa ny fandrefesana ny fivoaran’izay ananan’ny tokantrano tsirairay amin’ny alalan’ny antsoin-dry zareo hoe IDH (Indice de developpement Humain)

Ny toerana misy antsika :

Tsy nety votsotra teo amin’ny laharana 130 hatramin’ny 140 amin’ireo firenena 169 hatrany no nisy antsika hatramin’ny taona 2000 nanombohana io fomba fandrefesana io.

Raha hiresaka lafin-javatra hafa toy ny fanabeazana sy fitsaboana indray isika, dia mbola mitoetra foana iry 70%  tsy afaka mitsabo tena sy mampiana-janaka iry.

Iza no tena mizaka ny mafy?

Toy ny any amin’ny tany mahantra rehetra, dia ny vehivavy sy ny kilonja no tena mizaka ny tsy eran’ny aina.  Raha ny taham-pahafatesana sy ny fahelàna velona no hojerentsika dia toy  izao no tarehi-marika azo aroso:

  • reny 350 amin’ny 1000 no mamonjy toeram-pitsaboana rehefa hiteraka,
  • zaza 24  /1000 no tsy azo eo am-piterahana,
  • 22 /1000 maty alohan’ny 5 taona

Izao dia i Madagasikara no manana ny taha ambony indrindra amin’ny resaka Peste eran’i Afrika.

Manan-karena ny Malagasy

Raha jerena amin’ireo harena mivoaka an-tsokosoko sy lazaina fa ato ankibon’i Madagasikara, dia manan-karena ny Malagasy.

Valin’ny fanontaniana ery amin’ny lohateny: Mpanan-karena mipetraka anaty trano bongo ny Malagasy. Tompony mangataka ny atiny, ary efa zatra ny mihafy. MAFY TOTO sy TSY LAITRAN’NY BALAN’NY FAHANTRANA, VONOINA TSY METY MATY.

Membres du Conseil Supérieur (CST) et du Congrès de la Transition (CT), Madagascar

les voici, par ordre alphabétique

CT

ABDALLAH M’Chindra
AH LINE Chan Cathérine
AL ARAKIA SALIM
ALIDY Ben Moustapha
ALY Ousseni
AMABLE ANDRE
Amido
ANDO PARSON
ANDRIAMAHEFASOA Etenne
ANDRIAMALALA Mamisoa Freddy
ANDRIAMANALINARIVOI Raymond Jocelyn
ANDRIAMANAMPY Andrianarijaona
ANDRIAMANANJARA Haingotiana
ANDRIAMANJAKA Franky
ANDRIAMANONGA Angélot Fabrice Rasidy
ANDRIAMBELOMANATSIMIATO R. Rado
ANDRIAMBELOSOA Barijaona
ANDRIAMBOLOLONA Barison C.
ANDRIAMIATRIKARIVO Tiana James P.
ANDRIAMIHAJA Paul Bert
ANDRIAMIZAKA Jean Dominique
ANDRIAMORATSIRESY Sandros Alfred
ANDRIANAMBININA Eddie Edouard
ANDRIANANDRAINA Rameliarison Luc Dol
ANDRIANARY Mandimbisoa
ANDRIANASOLO Ted Von Them
ANDRIANASOLOARIJAONA Chrline
ANDRIANJAKA Raoulson
ANDRIANTAHIRILALAO Jacques
ANDRIATSIZEHENA Benja Urbain
ANDRIAVELONANDRO Enselme
ASSANY Nirina Lysiandre
ASSIATA
BAKOLIARISOA Emily Vonimboahirana
BEANDAZA Eloi
BEANJARA Paul
BENESSY
BENOÏT Benjamin Jules
BENON Guy
BEVANONA Maurice
BEZA Seramila Marcel
CHAN-HONG Jean Claude
CLODE ALBERTINE Rosalie
CYPRIEN
DAHAL Tiandraza
DAMY
DONAZY
DOX Zabofigera
ELIANE Lydie
EONGOMBELO Marcel
FELICIEN Milson
FIFY Michel
FIGARO Francine Noela
FIHEREZAVINANY
FOLOZARA Andriamisy Josia Honoré
GAGAY Bonnot
GASSARD Affick
RAKOTOBEZANAHARY Gaston
Général ANDRIAFENO
GERMAIN
HAJANIAINA Jaonary
HAJARISAONA Elima
HANITRINIAINA Mamy Armand
HELSON Brisson Erafa dit Jubé
HENRI Jean Michel
MAMPIORY Honoré Xavier
HOUSSEN IBRAHIM
HOZIDINE Ho Sing
IANDRO Robertson
JAOMILA Pelthin
JAONARISON Razafitiana Auguste
JAONASY Louis
JEAN PIERRE
JEAN YVES
JULIENNE
KATHY
LAHOSSA Anne Marie Edwige
LAIZOMA Etienne
LAMARRE Roger Claude
LAURENT PARFAIT Fontaine
LAZAFENO
LEDIMY Jean Joachim
LEMALADE Eric
NOBLE Pierre
LIMBISOA
MAC TONG Ki Jean Yves
RAHARIMALALA Lydia
MAHARAMBY Ndalana Espérant
MAHATAFA Armand
MAKA Alphonse
MAMIZAFY Abel
MAMODEHOUSSENE Irsade
MANA Parfait
MANAJARA Fidison
MANANJARA Ruffine Aurelie
MANASOA Donat Tang
MANITRA
MANJAKAVELO Tsitampihe
MANJARIMANANA Benoït Augustin
MAOLIDY
MAOLIDY
MARA Ludovic Edouard
MARC Richard Tiana
MARIJAONA
MAROLLEAU Hery Alberto
MAROTSAHA
MASO José Michel
MASY Goulamaly
MAURISSON Randrianarivony
MBADE Jeanine
MIANDRISOA Sambany
MIHA
MILIZARA
MITHA Moustafa
MOHAMED Issouf
MONG FOCK Charles Hervé
Monsieur ANDRIAMANOHY Henri Héctor
MPODY Paul
NAZIM Claude
NDAHINY Grégoire
NDRIANA Berthe
NIRINA Lamboarivelo Rakoto Joseph
NJAKA Tharsile
NOELSON Régis
NOELY
NOSIVOLA Lydia
PAIPO RANDRIANAFERA
RABARISON Joseph Aimé
RABARISON Yvette
RABARY Thierry Risman
RABESAIKY Guilaume
RABESON Clairin Noninako
RABIALAHY Jean Paul
RABOBASON Bernard
RADERA Didier
RADY Tombotsoa
RAFAHATELO I
RAFARALAHIMAHEFA Emmanuel I.
RAFARAMANDIMBY Boana Jean P.
RAFIDIARISOA Victorine
RAFIDIMANANTSOA Verotiana
RA-FREDERIC
RAHALAHIFALIHAKO Navajot Eugène
RAHANTANIRINA Lalao
RAHANTAVOLOLOMAMPIONONA Sandra Béatrice
RAHARIJAONA
RAHARIMAMPIONONA
RAHARINAIVO ANDRIANATOANDRO
RAHARINIAINA Christine Odette
RAHARISON
RAHARISON Roger Fidèle
RAHAROARILALA Tinoka Roberto
RAHERIMALALA Georges Honoré dit LAMY
RAHERISOA Vololona Victorine
RAJA Franck
RAJAOBELINA Lova Herizo
RAJAOHARINAIVO Claude
RAJAONARISON Lisinirina Sylvia
RAJAONSON Mamy
RAJAOVINELINA Jean Martin
RAJAOZAMANY Jean Claude
RAJARISON Georges
RAJERISON Jean Louis
RAJOELINA Andriam-Harimanana Seth
RAJOELINA Aro Tafohasina H.
RAJOMALAHY Samuel
RAKOTO AAndrianiaina John
RAKOTOALINORO Handoniaina Rijasoa
RAKOTOANTOANINA Nirina
RAKOTOARISOA Falihery
RAKOTOARISON
RAKOTOARISON Jonah Dominique
RAKOTOARIVELO Mamy
RAKOTOARIVO Norbert
RAKOTOARIVONY Francisque
RAKOTOBE Andrianaly
RAKOTOMALALA A. Frédéric
RAKOTOMALALA Doit Donné
RAKOTOMAMONJY Daudet
RAKOTOMANDIMBINDRAIBE Mamisoa
RAKOTOMANDIMBY Désiré
RAKOTOMANGA Lantoarivola
RAKOTOMIANDRISOA Jean Erneste
RAKOTONANDRASANA Gilbert
RAKOTONDRAIBE Jean
RAKOTONDRASOA Joseph
RAKOTONIAINA Alain
RAKOTONIAINA Jean Gringo Will
RAKOTONIAINA Roland Dominique
RAKOTONINDRAINY Edmond
RAKOTONIRINA Andriatsitoaina Jean Nono H.
RAKOTONIRINA Francis Emile
RAKOTORAHALAHY Manga Louis
RAKOTOVAO Emmanuel
RAKOTOZANDRY Raymond
RALAIARISON Justin
RALAIARIZAKA Yves
RALAIMAMPISAINARINONY Manoela
RALAINIRINA Marcel
RALAISEHENO Guy Maxime
RALALANIRINA Eléonore
RALAMBOMANANA Liva Hery Lalao
RALAMBOSON Naoël
RALIJAONA Florin
RAMAHEFASON Barbin
RAMAMIMAMPIONONA Gérard Noël
RAMAMONJISOA Rakotonirina
RAMANANDRAISOA Paulette
RAMANANIRINA Eulalie
RAMANANIRINA Wilfried
RAMANANTSOA Todison
RAMANANTSOA Tsimisotry
RAMARIJAONA Nantenaina Victor
RAMAROSANDRATANA Guy
RAMAROSON Laurent P.
RAMAROSON Lovatiana Gontare
RAMBOHANGISON Félix
RAMILINA
RANAIVO Alain Andrianairina
RANAIVO Serge
RANAIVOSON Andrianavalona
RANAIVOSON Voahangy Christine
RANDIMBY Ruffine
RANDRENJOHANY François
RANDRIA Joseph
RANDRIAMAHEFA Charles
RANDRIAMAMIARIZAFY Ignace
RANDRIAMAMPIANINA Ramilison
RANDRIAMAMPITOVY Jean Daniel
RANDRIAMANANA Jean de Dieu
RANDRIAMANANTSOA Octave
RANDRIAMANGA Réné
RANDRIAMANJARA Andriniaina
RANDRIAMASIARIJAONA Harinelina
RANDRIAMIARISOA Edmond Aimé
RANDRIAMIFIDY Johny
RANDRIAMINTANTSOA Paul Auguste
RANDRIAMORASATA Charles Aimé
RANDRIANAIVO Nirina Eric
RANDRIANAIVOARIVONY Jeannot
RANDRIANAMBININA Alphonse
RANDRIANANDRASANA Auguste Philippe
RANDRIANANDRASANA Masy
RANDRIANANDRASANA Mamy
RANDRIANANDRASANA Patrice
RANDRIANANTENAINA Olivier José
RANDRIANARIVELO Pierre
RANDRIANASOLO Jean Nicolas
RANDRIANASOLO Pascal
RANDRIANASOLO Volatiana Pauline
RANDRIANASOLONDRABE Eric
RANDRIANJANAKA Jugeless Ula
RANDRIANOELINA Hanitra
RANDRIARIMALALA Patrick
RANDRIARIMANGA Jocelin
RAPATSALAHY Naharison
PARISON Hilarion
RASALAMA Léon
RASAMOELINA Brigitte
RASATA Telson Mahefa Jean Paul Eric
RASATASON Laza Andrianjafy
RASIDIMANANA Patrice
RASOAMALALA Odette Brenda
RASOAMANJARIMAMPIONONA Hélène
RASOAMIARAMANANA Caroline
RASOANAIVO Armand
RASOANIRINA Hantamalala Alexis F.
RASOANOROMALALA Horace
RASOARIMALALA Marie Joséphine
RASOAVA Herimalala Mireille
RASOAZANANOATRA Marie Claudette
RASOLOFO Adolphe
RASOLOARINAIVO Andriamamonjy Lanto
RASOLOFONDRAMANANJATOVO Berto
RASOLOMAMPIONONA Danny William
RASOLOMANANA Noëline Miriame
RASOLONJANAHARY Jean Albert
RASOLONJANAHARY Sely Tiana
RATALATA Georges
RATIANJANAHARY Martin Velomana
RATOLOJANAHARY Andrianasy Lucien
RATOVONANDRASANA Hantanirina Irène
RATSIMANARY Jean Bosco Nirina
RATSIMANDRESY Arthur
RATSIMBARISON Georges Clément
RATSIMBAZAFY François d’Assise
RATSIMBAZAFY Joseph Michel
RATSIMBAZAFY Pierette Hantarivelo
RATSIVAHINISOLO Andrianiony
RAVALISON Paulin
RAVANOMANANA Jean Emeri
RAVELOARISON Jean Claude
RAVELOJAONA Louis
RAVELOJAONA Manda Herilaza
RAVELOMANANJARA Albert
RAVELONANOSY Mamitiana
RAVELOSON Constant
RAVELOSON Fanjanirina H.
RAVELOSON Thierry F.
RAVO Dimasy Relique Josselin
RAVOLOLOFANJA Aurelie
RAZAFIANDRIAMBELO Harinony Ihajamanana
RAZAFIARISOA Jacqueline V. L. A.
RAZAFIMAHALEO Mamy
RAZAFIMAHEFA Marcellin
RAZAFIMANANTANY Faniry
RAZAFIMANDIMBY Fréderic
RAZAFIMBAHOAKA Amelie
RAZAFIMBELO Arinosy Jacques
RAZAFIMPANIRY Victorine
RAZAFINDRABARY Narison Seth J. R.
RAZAFINDRAINIBE Jean Claude
RAZAFINDRAKOTO Ambinintsoa
RAZAFINDRAKOTO Harifanja Françette
RAZAFINDRAKOTO Mamy H.
RAZAFINDRAKOTOASIMBOLA
RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné
RAZAFINDRAMOSA Achille Aimé
RAZAFINDRANADA Régis
RAZAFINDRANARY Razafimbola
RAZAFINTSEHENO Ravao Harimizà
RAZAKANIRINA Edwige Lucie
RAZANABOLOLONA Lucie
RAZANAKOLONA Marthe
RAZANAKOTO Marcellin
RAZANAMINO Lisiniaina
RAZANATASY Charline
RAZOARIMIHAJA Solofonantenaina
REHOTROZO André
REMAHITA Désiré
RENE Andriatompoina
ROSTAND André
RUFFIN GEorges Bonaventure
SABITY Aly
SABOTSY Lee Emile Clark
SAKRA Mohamady
SAMBO Paul
SAMIHARY Floriot
SAMSON Goulzar Andrianjaka
SAZALAHY Tsianihy
SEBANY Mohamed
SELY Joel
SHAABAN Léon
SOJASMIN Lahinambinina
SOSOHANY Hermaune Romialdi
SYLBERMAN
TABO Moreli Aristide
TIANDRAZA Réné de Mon Espoir
TIVERNEE Mathilde
TOLIA Bernard
TOMBORAVO Jaomifidy Clovis
TOVONKERY Jean Noël
TSANDRESA Marius
TSARASOA Mahatamy
TSIANJOTSO Didier Léandre
TSIEBO Mahaleo Richard Victor
TSIVAKA Sylvien Raharison
TSIVOULAGNE Maximin
VAHINY Roger
VANOVASON Jean Adrien
VOIZY Blandine Rasoamanary
VOLAHY Gaston Edouard
VONINAHITSY Jean Eugène
ZAFILAHY Rakotomandimby Stanislas
ZAFINDRAZAKARIASY Marson Hyacinthe
ZAFITSARA Elysette

CST

Ampanjaka RAMAHASITRAKARIVO Pierre
ANDRIAMAMPANDRY Joseph Desiré
ANDRIAMISEZA Alain
ANDRIANALY Michel Solofomanana Robson
ANDRIANANTENAINA Pierre
BEMAHATANA Martin
BEMAMBOLY Lucien
BENARIVO André
BETIANA Bruno
BIHARY Redogone Tsibiby
CHRYSANTHE Bemilamina Justin
FOTOMANANTENA Dina Jeanne
DJISTERA Auguste Clotaire
ELIAZARD
FANANTERA Longin Louis
GEMA Guillaume
GIVANCE
HOUSSEN Ben Abdillah
JAOZANDRY Philippe
JEAN Félicien
RAKOTONIRINA Jean Raymond
JONAH Parfait Prezaraly
JOSEPH Yoland
KEMBAZANANY Anique
KOTO Bernard
LAHANIRIKO Jean
LALAO Lydia Rosier
LECACHEUR Henri
LERIVA Manahira
MAHARANTE Jean de Dieu
MAHATODY Ferrid
MALAZAMANA Jean Noël
MAMITIANA Fabergé Gabriel
RAKOTONIRINA Manandafy
MANAKANY Silver Claude Régis
MARSON Evarist
MOSA Milasoa
MOSA Tahiry
MOUNIBOU Patrick
NAHARIMAMY Lucien Irmah
NAIKE Eliane
NGOLO Gilbert
PARAINA Fabrice
PELOPS Ariane
PIKULAS Jonah
Prince TSIARASO IV
Princesse ZAFILA Ben Salim
RABEARISOA Sarah Georget
RABEMANANTSOA Pierrot
RABENATOANDRO Lanto
RABENIRINA Jean Jacques
RABENOROLAHY
RABETSAROANA Willy Sylvain
RABETSITONTA Tovonanahary
RABEZANAHARY Bakolimalala
RABIALAHY De Paul
RAFAM’ANDRIANJAFY Mahavatra
RAHANTASOA Lydia Aimée Vololona
RAHARIMALALA Toto Lydia
RAHARINIRINA Jacques Aimé
RAHARISAINA Hery
RAHARIVELO Tomson Bruno
RAHELIHANITRARIVO Voahanginirina
RAHELIHANTA Jocelyne
RAHOLDINA Naivo
RAJAONAH Lala Raveloarison
RAJAONSON Bruno
RAKOTOAMBOA Jean Louis
RAKOTOARIMANANA Patrice
RAKOTOARISON Yves Aimé
RAKOTOARIVENTINY Charlie
RAKOTOARIVONY Jean Pierre
RAKOTOBE Hery
RAKOTOJOELIMARIA Andrianantenaina
RAKOTOMALALA Martial Aimé
RAKOTOMANANA Gervais
RAKOTOMANJATO Rodin Edmond
RAKOTOMAVO Albert
RAKOTOMAVO Lantotiana
RAKOTOMAVO Maminiaina
RAKOTOMAVO née RAZAFIMANANTSOA Lobo
RAKOTONANDRASANA Samuel
RAKOTONDRAINIBE Heryzo
RAKOTONIRINA Lovanantenaina
RAKOTONOMENJANAHARY Jean Ernest
RAKOTOSOLOFO Jean Baptiste
RAKOTOVAO Vy Vato
RAKOTOVAZAHA Olivier
RAKOTOVAZAHA Zazarivelo Parson
RALINJANAHARY Tsitohaina Valimandresy
RALISON Roger
RAMAHERIJAONA Hajanirina Lanto
RAMAHOLIMASY Pierre Holder
RAMAKAVELO Désiré
RAMAMONJISOA Benjamin
RAMARIJAONA Andriamiarantsoa
RAMAROKOTO Julien F.
RAMAROMISA Daniel
RAMAROSON Alain
RAMAROSON Razafindramboa Nomentsoa
RAMAROSOANARIVO Jeanson
RAMASY Adolphe
RAMBOLAZAFY Alexandre
RAMPARANY Ramanana Anthèlme
RANAIVOSON Désiré
RANAIVOSON Henri Roger
RANDRIAMAHOLISON Jules Henri
RANDRIAMALALA Julien André
RANDRIANANTOANINA
RANDRIANJATOVO Henri François
RANJVASON Jean Théodore
RASAMIMAKA Mahefalahy
RASAMOELINA Lala Harinaivo
RASOLOFO Andrianandrintsaina N.
RASOLOFO Réné
RASOLOFONIAINA Robert Félicien
RASOLOFONJATOVO Honoré
RASOLOSOA Dolin
RATEFINJANAHARY Emile
RATSIMAHARIVONY Andrianangatahina Germain
RATSIMBASON Patrice
RATSIMBAZAFY Laurent
RATSIRAHONANA Norbert Lala
RATSIRAKA Roland
RAVALISON Clément
RAVELOARISOA Jocelyne Olga
RAVELOMAHAY Georges
RAVELOMANANTSOA Philippe
RAVELONJATO Bernard Anselme
RAZAFIMAHATRADRAIBE Jean Emile
RAZAFIMAHATRATRA Pauléon
RAZAFIMAHEFA Herimanana
RAZAFIMAHEFA Heriniaina
RAZAFIMANDIMBY Eva
RAZAFIMBELO Alain Manajary
RAZAFIMILY Constance
RAZAFINJATO Aurelie Marie Augustine
RAZANADAHY Bonaventure Thomas
RAZANAKOLONA Yvon
RAZANALIVA Hortense
REJELA Lovasoa Nomeny Anita
REMARA Louis
RIANA ANDRIAMANDAVY VII
ROBERT
ROBERT RAZAKA
ROBIVELO Marie Michel
ROBSON Jean Victor
SOJA Jean André dit KALETA
SOKAKY Ruffin
TEHINDRAZANARIVELO Alain
TELOLAHY Bertin
THU JUNE HORACE MANN
TSIHOAIZA Patrice
TSIMIONDRA Tomasy
TSIRANANA Pierre Firmin
TSITARA Calvin
VAOVAO Benjamin
ZAKAHELY Boniface
ZANAZAFY Cathérine
ZODALY Noël

Mivarotra “staphylocoques dorés” i Chine, raha misy mila

 

SAO MISY HIVIDY staphylocoques dorés, manana atao kado ny Sinoa

Otrikaretina ny “staphylocoques dorés” ary miteraka ny antsoina hoe “pneumonie” sy “méningite” rehefa tonga amin’ny faratampony.

Nisy fotoana, rehefa hita fa nahitana taratra ny fisian’ny “staphylocoques dorés” tany anatiny, dia nasain’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana sinoa nesorina teny amin’ny toeram-pivarotana samihafa ireo vokatra toy ny “raviolis” novokarin’ilay orinasa isan’ny goavana amin’ny fanaovana ireny sakafo “congélés”, ny Synear Food.

Tsy mampahatahotra ny manampahefana sinoa anefa izany ka dia izy ireo indray no nanome alàlana ny amin’ny hahazoana mivarotra ireo vokatra “congélés” ireo raha tsy dia betsaka ny tahan’ny “staphylocoques dorés”  tsikaritra any anatin’ireo vokatra, tafiditra amin’izany ny vary sy ny karazana paty samihafa.

Tsaroan’ny maro angamba ny resaka ronono misy kasinga mitondra homamiadana vokarin-dry zareo sinoa na ny atao hoe “lait contaminé” nahitàna “mélamine” mifangaro aminy, na ny menaka tsinponina eny amin’ny tatatr’ireo toeram-pisakafoanana sy karakarain’ny sasany mba ho ampiasaina indray avy eo na “huile frelatée” .

Lahatsoratra miresaka momba ny zava-doza aterany, azonao jerena ato

FADIO NY MIHINANKINAM-POANA IZAO REHETRA IZAO. Izao azonao enjehana eo anatrehan’ny lalàna aza, efa miferinay ianao vao vita ny ady, mainka fa…..

Aoka araka izany mba hifanentana, tsy hividy izay sakafo fantatra fa mampahatahota, indrindra fa raha teny tsy fantatrao no eny amin’ny fonony. Araho tsara ihany koa ny resaka datin’andro farany tokony hampiasana na hihinanana vokatra iray. Teneno ny ankizy amin’ireny karazana vatomamy sy bisikoitra, ary habobo amidy eny amoron-dàlana irany. Rehefa tsy handray andraikitra ihany ny tompon’andraiki-panjakàna (Ministeran’ny Varotra, Fahasalamana, ny Kaominina, sns) dia anjarantsika olom-pirenena tsirairay ny manao izany

 

RATSIRAKA Didier: ho avy androany, hono

Amin’ny 11 ora sy 25 mn no ho tonga eto Madagasikara raha tsy misy sampona ny filoha fahiny RATSIRAKA Didier. Mitohana ny fiara eny amin’ny faritra manodidina na dia tsy dia betsaka loatra aza ny olona tonga hitsena azy.

Fa mandra-piandry azy dia ambara etoana aloha fa nanambara ny hiala tsy ho ao anatin’ny governemanta Omer Beriziky ramatoa Rufine TSIRANANA na dia efa avy anao famindram-pahefana tamin’ny minisitra teo aloha aza. Nifanohitra tanteraka ny fanambarana nataony fony nivoaka avy tao amin’ny famindram-pahefana, sy n y fanambarana nataony teny amin’ny MAGRO Behoririka. Nahatsiaro ho voafitaka ny tenany raha ny filazany.

Fa hiverenana ny momba ny fahatongavan’i RATSIRAKA Didier: Rehefa tonga eto Madagasikara moa ity ray amandreny nitondra fahiny ity, dia hizotra hiditra ny renivohitra, ary (toa) hanao kabary etsy Anosy manoloana ny INSTAT.

Eny Ivato amin’izao fotoana ny Prof  Zafy Albet, Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina

Behoririka: Milamina hatreto

Hatreto aloha dia milamina ny eny Behoririka, ary efa samy manoko ny entany daholo tsy msy tahotra ny amin’izay mety ho asan’ny fivondronana ny mpivarotra amoron-dàlana

Irina ny hitohizan’izay filaminana izay. Saingy ny mbola olana dia mikatona tsy mivarotra ilay toeram-pivarotana VENIC niandohan’ny olana.Fiarabe roa feno mpitandro filaminana rahateo no miantsona manoloana ny toerana, miampy fiara tsy mataho-dàlana iray ety ambanimbany ety.

Voalaza moa fa noraisin’ny Ambasady an-tanana ny raharaha.

Indrto sary roa, ka ny voalohany dia nalaina omaly tamin’ny 17h mahery, ary ny faharoa dia nalaina io antoandro io ho fampitahàna

Mizotra ara-dalàna ihany koa ny fifamoivoizana. Na dia somary bebe koha izay aza ny mpandeha an-tongotra ka mihevitra ny tenany ho mafy noho ny vy. Nisy iray aza moa voadonan’ny Minibus Mazda teo anoloan’ny Firaisana Voalohany, ka tsy hay na maty na velona fa tsy nahatsiaro tena rehefa nakarina any anaty fiara.

Behoririka : Ahiana hivadika ho fankahalàna vahiny

Tsy zoviana amin’ny maro ny tiana lazaina amin’ny hoe fankahalàna vahiny, na xenophobie.

Feo nampivarahontsana re teny amin’ny manodidina ny gara Soarano sy ny Hotel Tana Plaza io androany hariva tamin’ny 5 ora hariva. Mbola tohin’izay niseho teny amin’ny VENIC Behoririka ihany.

Nisy ny fitaonana ireo gonim-pasika teo akaikin’ny gvavahadin’ny gara ka naparitak’ireto olona marobe ireto teo amin’ny arabe tsy lavitra teo. Efa nisy ny fanozongozonana fiara nandalo midina amin’iny faritra iny tamin’izay fotoana izay. Lehilahy vitsivitsy, 3 na 4 eo no miresaka eo afovoan’ny arabe manandrify ny gara. Hoy ny iray:

Aoka tsy hokitihana ny fananan’ny Malagasy, Fa izay fiaran’ny vahiny mandalo eo, ka miseho ho be monkon-doha, tonga dia haongana dorana eto.

Hatramin’ny fotoana nanoratana dia mbola voafefin’ny mpitandro filaminana ary tsy azo aleha ny faritra manodidina akaiky an’iny Behoririka iny, mba ho fisorohana ny mety ho fanararaotana sy ny mety ho fihoaram-pefy

Ho valin-kafatra noho ity fanaovana tsinontsinona ny mpiasa Malagasy ity dia nifafa ny kihony izay sinoa tratra teny an-dàlana teny. Tsy vao izao tokoa mantsy fa efa hatry ny ela no nahenona ny tsindrio fa lavo sy ny fanaovana habibiana avy amin’ireto kelimaso ireto.

Tsy dia nahagaga loatra ihany koa ilay fahatongavan’ny olona teny amin’ny nanaoloana ny gara Soarano, satria tao no nandositra niaraka tamin’ny fiarany ilay sinoa vendrana. Vendrana satria sady efanitsoaka, no mbola niseho vahoaka tao indray avy eo. Voatery noho izany, nanidy ny Café de la Gare ny tompony mab hisorohana izay sanatria.

Araka ny voalazan’ny vaovao tselatra tao amin’ny Radio Antsiva, dia milaza ity fampielezam-peo ity fa tsy nisy ny maty fa naratra tsaboina eny amin’ny hopitaly no misy.

 

Amin’ny 20h 15 izao eto Madagascar. Ity ny fanavaozam-baovao farany ananako hatreto:

Nanao fanambarana ny Masoivoho Sinoa ny amin’ny tsy maintsy hanolorana ny Fitsarana Malagasy ilay Sinoa nanao hadalàna tetsy Behoririka, ary miantso ireo teratany Sinoa rehetra eto Madagascar mba hahay miara-monina amin’ny Malagasy sy hanaja ny lalàna misy eto. Maniry koa ny Masoivoho Sinoa ny tsy hisian’ny akony ratsy eo amin’ny fifandraisan’ny Sinoa sy ny Malagasy avy amin’ity tranga androany ity.
Voalaza moa izany hatreto fa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny naratra. Misafotofoto araka izany ity vaovao ity

Behoririka: Sinoa mamono mpiasa Malagasy

Taitra ny rehetra androany nahita ireto Malagasy marobe nangorona ny entany sy niara-nirona nanoloana ny tsy rariny nataonà sinoa iray mpitazona tranombarotra etsy Behoririka.

Araka ny feo re avy eny an-toerana dia nisy mpiasa tao amin’io fivarotana io no notondroin’ilay sinoa ho tompon’antoka amin’ny tsy fahampian’ny isan’ny entana. Niharan’ny heriserta io (toa vehivay raha ny filazan’ny maro). Nisy mpiasa iray hafa (toa lehilahy kosa ity farany) nirotsaka niaro ilay tovovavy Malagasy niharan’ny herisetra.

Voadaka tany amin’ny an-kasarotany ranamana ary lavo tamin’ny tany. Na efa lavo aza anefa dia mbola nohitsakitsahan’ilay sinoa ihany ary tsy namelany raha tsy efa nalemilemin’ny hitsaka sy daka.

Nisy tamin’ireto olona marobe teny an-toerana no nilaza fa toa nipotsaka mihitsy ny tsinain’ilay zalahy Malagasy io (toa hoe voatrobaky ny hety). Samy namoy ny ainy na ny niaro na ny narovana tamin’ity raharaha ity, araka ny vaovao voaray.

Niray feo moa ireto olona marobe ireto tamin’ny hoe tokony ho, na nentin’ilay sinoa tany amin’ny polisy hatao fanadihadiana ilay mpiasa, na nesoriny tamin’ny karama, fa tsy azy akory ny ain’ny Malagasy, na dia azy aza ny vola mikararana.

Hatezerana ny an’ireto mpiara-miasa sy mpivarotra teny an-toerana ka niafara tamin’ny fitakiana ny hanolorana azy ireo an’ilay sinoa.

Tonga hatramin’ny hoe

“Aina solon’ny aina”, “Tsy mahavidy aina Malagasy iray ny vola iray sakaosy”, “Mivoaha daholo ny Gasy fa may ity anio raha tsy mivoaka eto ilay sinoa”.

Tokony ho tamin’ny 12h 26mn  ny tena no nandalo teo amin’ny toerana.

Minitra maromaro taorian’izay dia nanomboka ny famakiana varavarana nataon’ireo olona marobe nitangorona teo; samy niharan’izany na ny taty amin’ny faritra ambany amin’ilay tranobe na ny tany ambony mizotra ho any Tsiazotafo iny. Efa saika voavaha mihitsy izany talohan’ny nahatongavan’ny EMMO/REG tamin’ny 1 ora tolakandro.

Koa satria tsy nisy làlana hafa nahafahan’ireo Malagasy tavela tao anaty trano hivoaka intsony, dia maro tamin’izy ireny no teny ambony tafon-tranon’olona no nanao izay hanavotana ny ainy.

Ny zavatra tena nahatezitra ireo olona marobe ihany koa dia ny nahita ireo telolahy tao anatin’ilay fefy vy nanidy ny trano sy niaro mafy n y tsy hahatafidiran’ireo olona tao. Izy ireo indray no natsangan’ireo teny ivelany ho fahavalo.

hoy ny avy ety ivelany

“Aza milamina eo anie ioty hahitan’ialahy isany ny anjaran’ialahy isany miaro sinoa ireo eeeee, efa hita izao fa mamono mpiasa Malagasy ny sinoan’ialahy mbola arovan’ialahy ihany”

Izy telo lahy kosa avy any anatiny manondraka ny olona amin’ireny fitaovana famonoana afo, misy vovoka ireny (SICLI). Mazava ho azy fa mandositra noho ny tahotra ireo olona marobe, ary miverina indray rehefa lava ilay vovoka fotsy nafafy teo.

Tamin’ny fotoana niverenana nandalo teny (2 ora tolakandro) dia tsy mbola mivaha ny olana, tsy mbola nisokatra ny làlana, ary tsy mbola niala ireo olona marobe. Atahorana araka izany ny hitàran’ity raharaha ity ho amin’ny zana-tohatra mafampana, satria nisy sinoa tsy naninona tsy naninona, efa niharan’ny herisetra sahady teny amin’iny akaikin’ny Building Soarano ho any amin’ny Petite Vitesse iny raha vao niandoha teo amin’ny 30 na 45 mn teo ity fifanjevoana sy fangalam-piery ity.

Azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr eto

Fanampin-dahatsary ao amin’ny Youtube ireto ambany ireto, mbola samy nalaina teny Behoririka ihany.

Marihina fa ny sary, ny lahatsary ary ny feo dia nalaina mivantana teny avokoa fa tsy nionona tamin’ny honohono fotsiny. Zonao mamaky ny mino, ary fahefanao tanteraka ihany koa ny tsy mino, toy ireo izay nilaza fa tsy nisy izany maty izany. Mitatitra no atao eto, ary miandry ny fanamarinana na fandisoana isika arakaraky ny hirosoan’ny ora sy minitra miasika ity raharaha ity.

*************

Amin’ny 15h 30 izao, aty Antaninarenina ny mpanoratra no mandre feon-javatra mipoaka any lavitra any, toa ireny baomba fandatsahan-dranomaso sy feom-basy ireny

**********

Amin’ny 20h 15 izao eto Madagascar. Ity ny fanavaozam-baovao farany ananako hatreto:

Nanao fanambarana ny Masoivoho Sinoa ny amin’ny tsy maintsy hanolorana ny Fitsarana Malagasy ilay Sinoa nanao hadalàna tetsy Behoririka, ary miantso ireo teratany Sinoa rehetra eto Madagascar mba hahay miara-monina amin’ny Malagasy sy hanaja ny lalàna misy eto. Maniry koa ny Masoivoho Sinoa ny tsy hisian’ny akony ratsy eo amin’ny fifandraisan’ny Sinoa sy ny Malagasy avy amin’ity tranga androany ity.
Voalaza moa izany hatreto fa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny naratra. Misafotofoto araka izany ity vaovao ity

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.

Joignez-vous à 197 followers